airtel

Covid 19

17-janv-2022

Covid 19

Tapa-bolana voalohan’ny 2022 106 matin’ny coronavirus, 3393 ny tranga

Sample post image

Niakatra ny isa sy ny antontan’isan’ireo olona voamarina fa tratry ny valanaretina coronavirus ny 08 ka hatramin'ny 14 janoary 2022.

17-janv-2022

Niakatra ho 1726 izany raha 1667 izany herinandro teo alohany, raha toa ka 3393 izany ny tranga tapa-bolana voalohan’ny 2022. Fitiliana miisa 10 769 no nahitana ireo tranga vaovao 1726 ireo, izay manome taham-pahavoazana 16,02%, raha toa ka 16,37% kosa ny herinandro teo alohany. Ny 1636 tamin’ireo tranga no hita voalohany, ary 90 kosa tafiditra tao anatin’ny fikarohana ireo mety ho nifampikasoka na “Tracing contact”. Analamanga hatrany no mitana ny laharana voalohany amin'ny olona voamarina mitondra ny otrikaretina izay nahatratra 1078 manome salan’isa 62,45%. Ny ambiny kosa dia tany DIANA 113, Vakinankaratra 111, Bongolava 71, SAVA 56, Atsimo andrefana 48, Alaotra Mangoro 45, Antsinanana 37, Anosy 35, Vatovavy sy Fitovinany 21, Matsiatra Ambony 20, Ihorombe 17, bongolava 17, Betsiboka 17, Atsimo Antsinanana 14, Amoron’i Mania 7, Melaky 7, Menabe 7, Sofia 2. Tsikaritra ho efa miha rakotra ny faritra hafa na mitana ny lohalaharana aza Analamanga satria teo aloha manodidina ny 75% tamin’ny tranga no teto, saingy manomboka niakatra ny isa any amin’ny faritra matoa 62% mahery izany ankehitriny. Ho an’ny faritra 23 eto Madagasikara rahateo, dia faritra 2 monja no tsy nahitana tranga vaovao tamin’iny herinandro iny dia i Androy sy Analanjirofo. Mikasika ireo namoy ny ainy kosa, dia mbola mihoatra ny 50 isan-kerinandro satria 52 izany tamin’iny herinandro farany teo iny, raha toa ka 54 teo alohany, izany hoe nahatratra 106 ny olona namoy ny ainy teto Madagasikara tao anatin’ny roa herinandro, izany hoe olona 8 isan’andro eo no lavon’ny valanaretina coronavirus. Miisa 224 kosa ireo marary misy fahasarotana (formes graves) ankehitriny, raha 236 ny 01-07 janoary 2022. 2103 kosa ireo sitrana, raha 2293 teo aloha. Hatreto dia 1 169 (2.09%) ireo namoy ny ainy hatramin'ny nidiran'ity aretina ity teto Madagasikara. Mila mitandrina sy miaro tena hatrany ny tsirairay eo anatrehan’ny zava-misy satria mbola tsy ho resy sy tsy ho foana ao anatin’ny fotoana fohy ny valanaretina coronavirus.
Toky R
 

Dans la même rubrique