airtel

Covid 19

07-avril-2021

Covid 19

Tatitra covid-19 isan’andro Mifanaraka amin’ny zavamisy marina ve ny antontan’isa ?

Sample post image

Olona 3 no namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus ny 05 aprily, ka iray avy teto Analamanga,

07-avril-2021

 

 

 Atsimo Andrefana, ary Anosy, araka ny tatitra omaly. 165 kosa ny tranga vaovao azo tamin’ny fitiliana 528, izay manome taham-pahavoazana 31,25% be izao. Teto Analamanga ny 118, Antsinanana 5, Diana 22, Alaotra Mangoro 2, Matsiatra Ambony 1, Boeny 2, Sava 2, Atsimo Andrefana 4, Analanjirofo 6, Androy 3. Miisa 111 kosa ny sitrana tamin’io andro io, ka Analamanga 63, Atsinanana 14, Alaotra Mangoro 1, Haute Matsiatra 1, Atsimo Andrefana 5, Menabe 1, Analanjirofo 11, Ihorombe 3, Itasy, Melaky 1, Sofia 9. Hatreto, tafiakatra 462 ny namoy ny ainy, 2595 ireo mbola tsaboina, ka 271 amin’ireo no marary misy fahasarotana.

MITOMBINA VE NY ANTONTAN’ISA ?

 Mampametra-panontaniana tato ho ato hoe: tena mifanaraka sy mifandraika amin’ny zava-misy ve ny antontan’isa avoakan’ny Fanjakana na ny momba ny tranga na ny mamoy ny ainy? Tsy resahina ny any anaty fiarahamonina fa tena ireo isa mivoaka ireo marina ve ny isan’ny lavo any amin’ny hopitaly? Tsikaritra ho mihena na nahena ny isan’ny fitiliana, ary tsy arakaraka ilay tenin’ny Filoha ny 03 aprily fa mahatratra 1200 isan’andro. Ny 04 aprily anefa zara raha nisy 382, ary omaly 528, kanefa samy nahitana taham-pavoazana ambony 35,86% sy 31,25%. Noho ny fety ve no nampihena ny fitiliana? Na talohan’izany aza anefa, tsapa ho nidina hatrany. Sanatriavin’ny vava lalaovina indray ve ny antontan’isa izay vao mainka fanapoizinana vahoaka raha izay tokoa no mitranga?

Toky R

Dans la même rubrique