airtel

Covid 19

08-mars-2021

Covid 19

Tatitra tara herinandro 3 maty, 234 ny trangana covid-19

Sample post image

Ny sabotsy 06 martsa teo, vao nivoaka ny tatitry ny fivoaran’ny valanaretina coronavirus teo anelanelan’ny 20-26 febroary,

08-mars-2021

 

 

izany hoe nisy fahatarana herinandro. Miisa 03 ny olona namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 300. Miisa 324 ny tranga vaovao hita tamina fitiliana 2449 manome taham-pahavoazana 13,22%. Teto Analamanga ny 196 tamin’ireo tranga, Vakinankaratra 14, Antsinana 22, Analanjirofo 8, Matsiatra Ambony 4, Amoron’i Mania 6, Ihorombe 1, Boeny 14, Atsimo Andrefana 5, Menabe 12, Sava 2, ary Diana 42. Faritra 12 amin’ny 22 izany nahitana tranga avokoa. 247 kosa ny sitrana. Nisy fahatarana herinandro be izao ny tatitra, izay midika fa misy ny fitavozavozana na tsy firaharahiana ankitsirano. Toa tsy nisy famoahana ny tatitry ny fivoarany ho an’iny herinandro nivalona iny. Tsy misy fanazavana sy fialan-tsiny ofisialy re, fa dia vitavita ho azy. Zava-doza anefa ity valanaretina, ary ny Minisitry ny fahasalamana izao no naneho ny faran’ny herinandro teo fa miha mitombo, ary hizara CVO izy ireo.

 

Tsara ho marihana, araka ny loharanom-baovao iray fa na dia efa eo am-pelatanan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ara-potoana tsara aza ny antontan’isa momba ny Covid 19 eto Madagasikara dia tsy maintsy mbola miandry ilay vaomiera manokana itambarana ministera sy sampandraharam-panjakana maro samihafa (comité multi-sectoriel) vao avoaka izany tarehimarika izany.

 Toky R

Dans la même rubrique