airtel

Covid 19

05-mai-2023

Covid 19

Teknisianin’ny laboratoara Mahatsiaro ho takona

Sample post image

Mahatsiaro ho takona tanteraka amin’ny asa hatrehiny ireo teknisianin’ny laboratoara miasa manerana ny Nosy.

05-mai-2023

Anisan’ireo tena miasa mafy mihitsy anefa izy ireo raha araka ny nambarany omaly indrindra manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina toy ny COVID 19. Tsy dia tsapan’ny fitondram-panjakana loatra anefa izany. Hangatahin’izy ireo araka izany ny tokony hahafahany manohy ny fianarany mba hahazoany ny mari-pahaizana doctorat amin’ny lalam-piofanana teknisianin’ny laboratoara. Hatreto mantsy dia mianatra 3 taona aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea dia afaka manao teknisianin’ny laboratoara. Tsiahivina moa fa nanatanteraka ny fivoriany fahatelo omaly ireo teknisianin’ny laboratoara manerana ny Nosy. Ankoatra ny fijerena ireo lesoka hahafahana manatsara zavatra sy ny fandinihina ny ho avy dia nisy ihany koa ny fifidianana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny birao hitantana ny fikambanana hivondronan’izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique