airtel

Covid 19

19-mars-2021

Covid 19

Tena mandravarava ny covid-19 173 indray voa ,104 marary mafy, 01 maty

Sample post image

Niampy 01 ny maty vokatry ny valanaretina covid-19 nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 338,

19-mars-2021

 

 

 araka ny antontan’isa ho an’ny andron’ny 17 martsa 202. Miisa 173 be izao kosa ny tranga vaovao azo tamin’ny fitiliana 863 manome taham-pahavoazana 20,04% be izao, izay azo lazaina ho tena ambony dia ambony. Teto Analamanga avokoa ny 101 ; Atsinanana 17, Diana 17, Alaotra Mangoro 02, Boeny 05, Vakinankatra 04, Sava 20, Atsimo Andrefana 05, Sofia 02. Nihoatra 72 isa ny tranga vaovao ho an’ny alarobia mitaha ny tamin’ny talata. Miisa 80 kosa ny sitrana, 911 ny mbola manaraka fitsaboana izay niampy 91 mitaha ny notaterina omaly. Mahatratra 104 ny marary mafy, izany hoe niampy 10. Miha miakatra hatrany ny tranga vaovao, manomboka miantraika amina sehatra maro, toy ny tsy fahafahana mivory mihoatra ny 200, fiatoan’ny fampianarana, fiatoan’ny fitsarana,… Tena mila mampitombo ny fahamailoana ny rehetra. Mila malala-tsaina ihany koa ny fitondrana eo amin’ny resaka fiarovana fa tsy sanatria hatao toy ny mamoaka didim-panjakana ny fepetra ara-pitsaboana, ka ny mpitondra no mandidy sy manapaka amin’ny fomba fiarovana sy fitsaboana tokony harahan’ny isam-batan’olona. Tsy tokony hampidirana hambom-po politika mihitsy ny resaka fahasalamana.

Toky R 

Dans la même rubrique