airtel

Covid 19

11-mars-2021

Covid 19

Tohana ara-tsosialy Malagasy 4 tapitrisa hahazo fanampiana

Sample post image

Nanolotra famatsiam-bola fanampiny, andiany fahatelo mitentina 150 000 000 dolara ho an'i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena.

11-mars-2021

 

 

 

Taorian’ny fifampiraharahana natao niaraka tamin’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny 20 janoary 2021 lasa teo, tontosa omaly 10 martsa 2020 ny fanaovan-tsonia teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha teo amin’ny governemanta Malagasy, tamin’ny alalan'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato, sy ny Banky Iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny Solontena Maharitra, Uwanyiligira Marie-Chantal. Fanaovan-tsonia natao teo ambany fiahian'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, mahakasika ny famatsiana ara-bola andiany fahatelo ho an’ny tetikasa «Projet filets sociaux de sécurité FSS ». Ny Ministeran’ny mponina sy ny FID no hitantana ny tetikasa. Tanjona amin’ny tetikasa ny hanampiana ireo fianakaviana marefo sy sahirana izay miatrika ny fahasahiranana lehibe aterak'ity valan’aretina Covid-19 ity. Faritra miisa 14 izay misy hatramin’ny 29 distrika ary olona miisa hatrany amin’ny 4 000 000 no hisitraka izany, ka hanana endrika toy ny Tosika Fameno na ny Fiavota any Atsimon'ny Nosy io, hoy ny fanazavana. Fanomezana mitentina 150 tapitrisa dolara izay natao tamin’ny 30 septambra 2020 no azo avy amin’ny banky iraisam-pirenena ary kasaina hampiasaina ao anatin’ny 6 hatramin’ny 8 volana izany.

ATOKISANA MARINA VE ?

 Nambara tao anatin’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repblika, fa nanamafy ny fankasitrahana ny fahaiza-mitariky ny Filoha Rajoelina ny solontenan'ny Banky Iraisam-pirenena, ary nidera ny fahaiza-mitantana nasehony tamin'ny fifehezana ny fiantraikan'ny valan'aretina Covid-19 sy ny fiahiany ny vahoaka Malagasy. Tanteraka tao anatin'ny 8 volana monja noho izany ny fanomezana ny vola raha toa ka maharitra 18 hatramin'ny 24 volana izany amin'ny ankapobeny, hoy ny fanazavana. Vao tsy ela anefa no nangataka mangaraharaha momba ny nitantanana ny vola ho an’ny covid-19 ny Mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Toky R

Dans la même rubrique