airtel

Covid 19

17-févr-2022

Covid 19

Tontolon’ny fitsaboana Tonga mijery akaiky ny CVO+ ny iraky ny OMS

Sample post image

Eto Madagasikara nanomboka ny 14 febroary ny iraka avy amin’ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na OMS,

17-févr-2022

 miaraka amin’ny CDC/Afrique, Comité consultatif régional d'experts en Médecine traditionnelle,…. Tonga hijery akaiky sy hanao fanaraha-maso sy fandalinana miaraka amin’ny siantifika Malagasy mikasika ireo asa fikarohana sy andrana ary dingana efa vita momba ny CVO+ na Covid Organics. Nivory niaraka tamin'ny delagasiona avy amin'ny OMS ny Praiministra Ntsay Christian omaly, ary nandinika manokana ny fandrosoan'ny asa rehetra mahakasika ny fankatoavana ny CVO+ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ary hiara-hiasa akaiky amin'ireo siantifika malagasy ny OMS mandritra ny dingana rehetra harahina, hoy ny fampitam-baovaon’ny Primatiora. Nambaran’ny Praiminisitra fa efa neken’ny OMS ny andrana klinika kanefa mbola misy dingana hafa tsy maintsy hiadian-kevitra eo amin’ny komity siantifika nasionaly sy ny OMS mba hahazoan’io fanafody io fankatoavana iraisam-pirenena feno, hoy ny Praiminisitra. Hojerena ny teboka momba ny fivoarana vitan’ny firenena tamin’ny CVO+ fitsaboana ary arahina ny dingana sy toromariky ny OMS mba ho amin’ny fahombiazana ara-klinika hanombanana ny mety ho voka-dratsy sy fahombiazan’ny CVO+ manoloana ny « placebo » hoy ny fanazavana. Ny jolay 2021 no nambara fa vita ny andrana klinika, raha toa ka nangataka fandalinana mahaleotena mikasika ny antontan-kevitra nomen’ny ankolafy Malagasy mialohan’ny hanomezany fijery siantifika momba io lohahevitra io ny OMS. Voalaza fa nitondra tohana teknika tamin’ny dingana momba ny andrana notarihin’ny Malagasy ny OMS tamin’ny alalan’ny fitadiavana « consultant national » sy olona niantsoroka ny fitantanana ny antontan-kevitra. Andrasana ny ho tohiny, mbola somary lava izany fanekena iraisam-pirenena ny fanafody iray izany. Adihevitra be hatrany am-piandohana rahateo na teto an-toerana na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity karazana fanafody nentim-paharazana nohatsaraina ity. Hatramin’ny OMS aza nitsivalana sy nampitandrina tamin’izany fotoana, saingy efa teboka miabo aloha izany ny fidirana amina fifampiresahana tahaka izao. Hatramin’ny rahampitso 18 febroary raha tsy misy ny fiovana no eto ireo itraky ny OMS. Izany mandeha ihany, fa entanina hatrany aloha ny rehetra hanao vaksiny satria mbola tsy resy ny valanaretina, ary io no fanefitra ankatoavina iraisam-pirenena hatreto. Ny sisa manaraka eo ihany !
Toky R
 

Dans la même rubrique