airtel

Covid 19

13-avril-2021

Covid 19

Transparency International “Ny 76% n’ny olom-pirenena no resy lahatra amin’ny vaksiny”

Sample post image

Faritra miisa telo nahitana an’Analamanga, Matsiatra Ambony ary Atsinanana no nanaovan’ny Transparency International/Initiative Magascar

13-avril-2021

 

 

 fanadihadiana mikasika ny vaksiny tao anatin’ny tetikasa “Ara-maso”. Nanontany sy naka ny hevitry ny olom-pirenena miisa 1700 teo nitarafana ny faharisihana na tsia amin’ny vaksiny hiadiana amin’ny valanaretina coronavirus. Araka ny tatitra navoaka omaly, ny 76% tamin’ny olona nanaovana fanadihadiana no resy lahatra sy maniry hatao vaksiny, ary 56%-n'ny olona no afa-po amin'ny fepetra misy ankehitriny, ary 44% kosa no tsy afa-po, ka tafiditra amin’izany ny tsy fahampian’ny fanentanana. Ny 92% tamin’ny olona nohadihadiana kosa dia samy nilaza avokoa fa tokony halalaka ny safidy ho an’ny olom-pirenena na hanao na tsia ny vaksiny, ary ny 100% dia samy mihevitra sy maniry avokoa, fa tokony ho maimaimpoana ny vaksiny. Raha toa ka tsy maintsy vidiana kosa ny vaksiny, dia ny 56% no naneho fa vonona hividy hatrany amin’ny 13,781Ar ny sandany ambony indrindra. Ny 92% amin’ireo nohadihadiana kosa maniry ny hiverenan’ny fanampiana sy tohana sosialy.

 MITARAZOKA

Tsiahivina hatrany, fa ny 07 desambra 2020 no nifarana ny fisoratana anarana tamin’ny “Initiative Covax” nahafahan’ny firenena sahirana 172 eo mahazo fanamorana ny fisitrahana ny vaksiny. Nilaza tsy hanafatra ny Mpitondra Malagasy tamin’izany. Ny 26 martsa 2021 teo no nametraka ny taratasy mba ahafaha-misitraka vaksiny ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Ny 03 aprily kosa no nilaza ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa vaksiny roa no mahafeno fepetra, ary hafainganina ny fanafarana azy. Hatreto, ireo ihany ny dingana fantatra. Mitarazoka ary tsy mbola fantatra ny daty sy fotoana mazava hoe: rahoviana no hisitraka ny andiany voalohany amin’ny vaksiny i Madagasikara ?

Toky R

Dans la même rubrique