airtel

Covid 19

11-avril-2023

Covid 19

Tratra aoriana i Madagasikara Latsaky ny 8% no vita vaksinin’i Covid 19

Sample post image

Tafiakatra 70% ny tahan’ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny covid-10 ho an’ny mponina ao anatin’ny firenena miisa 4 aty Afrika dia i Rwanda Liberia, Maurice, ary Seychelles hatramin’ny amin’izao fotoana izao,

11-avril-2023

raha ny fampahafantarana nataon’ny Rafitry maneran-tany momba ny fahasalamana eto amintsika na ny OMS ny alahady 09 aprily lasa teo. Ny fanaovana vaksiny izay antoka ho an’ny fahasalamana andavanandro dia zava-dehibe hitazonana ny fiarovana, hoy ny OMS. EEfa , mbola tena ambany be ny tahan’ny fanaovana vaksiny. Araka ny antontan’isan’ny Minisiteran’ny fahasalamana, hatramin’ny 22 martsa 2023 teo, mbola vao 2 341 490 ny olona vita vaksiny tanteraka, izay zara raha 7,81% amin’ny vahoaka Malagasy izany. 2 779 141 na 9,29% kosa ireo efa nanao “dose” iray, saingy mbola tsy nahavita ny famerenana izany. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny fitondram-panjakana mihitsy no toa nanamaivana ny vaksiny tany am-piandohana. Isan’ny niteraka asa goavana ho an’ny firenena Malagasy anefa ny fisian’ny coronavirus, niantraika tamin’ny toekarena sy ny sosialy, saingy nohamavainina ny vaksiny, fa tao natao ala olana tamin’ny tsy fahombiazam-bitantanana maro kosa ny aretina. Hatreto, na efa azo lazaina ho tsy mibahan-toerana be sy tsy dia manahirana firy intsony aza io valanaretina, dia mbola ahitana tranga manodidina ny dimampolo isan-kerinandro eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique