airtel

Covid 19

16-févr-2023

Covid 19

Tsaho sy ny vaovao diso Mihanaka toy ny valan’aretina Covid-19

Sample post image

Naneho ny fahaverezan’ny fahatokisan’ny Vahoaka ny fampahalalam-baovao ny Covid-19 ary nanome vahana ny fiparitahan’ny tsaho izay matetika mampihoron-koditra ny vokany indrindra ampian’ny herin’ny tambazotra sosialy sy ny aterineto.

16-févr-2023

Misy ny tetikasa Rooted un Trust (RiT 2.0) na hoe “Miorim-paka amin’ny fahatokisana” novolavolain’ny Internews sy ny Ilontsera ary tohanan’ny Usaid, izay manohitra ny fihanaky ny tsaho sy ny vaovao diso ary mikendry ny fanaovana ny vaovao marim-pototra ho fitaovana enti-miady amin’ny valan’aretina covid-19. Miara-miasa akaiky amin’ny haino vaky jery sy hery velona samihafa eto an-toerana ny tetikasa mba hamantarana ireo tsaho manimba sy vaovao diso ary miezaka mandray ny andraikiny amin’ny maha mpanome vaovao azo itokisana ao amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Nisy ny fampahafantarana ny dingana voalohany vita mikasika izany nanasongadinana ny fomba fitrandrahana voavao amin’ny karazam-pitenenana samihafa, ny fiheverana bebe kokoa ny filana sy ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny lafiny vaovao ary ny fiezahana hanome fahafaham-po azy ireo amin’ny famelana ny tsarairay hisitraka vaovao azo antoka. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Ilontsera nanangonana hevitra sy nampitomboana ny fahaizamanaon’ny mpanao gazety amin’ny fanangonana sy fanaraha-maso ary fanamarinana ny tsaho mihoatra amin’ny zava-misy ary koa famoahana votoam-baovao azo itokiana. Taom-pifidianana ity 2023 ity, isany mampihanaka ny tsaho sy vaovao diso ihany koa. Manana anjara toerana ho arofanina amin’izany ny haino vaky jery, ny fampahalalam-baovao, ny firaisamonim-pirenena, ny hery velona rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana hisorohana ny fahavoazana ara-piarahamonina sy fahapotehan’ny firenena.
Jean D.
 

Dans la même rubrique