airtel

Covid 19

09-avril-2021

Covid 19

Tsy ampy intsony ny mpitsabo Miantso vonjy ny fanjakana

Sample post image

Nanamafy ny voalaza tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo manao antso avo amin’ny tsara sitrapo sy ny mahalala tànana

09-avril-2021

 

 

 

hirotsaka an-tsehatra hanampy ny mpitsabo ny Minisitry ny fahasalamana omaly. Nisy fipoahana tampoka, ampy ny mpiasan’ny fahasalamana, fa noho ny fipoahana tampoka dia nanapa-kevitra hiantso mpanampy ny Fanjakana. Miantso ny mpitsabo nahavita fianarana hanao miaramila hiady amin’ny covid-19, hoy ny Minisitra Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Afaka manantona ny Minisiteran’ny fahasalamana etsy Ambohidahy. Efa tena hamehana goavana io na tafiditra ao anatin’ny hoe: “alerte”, tsy takona hafenina intsony, fa tena mikolay ny mpitsabo, tsy maharaka, mitombo sy tsy voafehy hatrany ny valanaretina. Porofon’izany ny hananganana CTC vaovao toy ny eny By Pass, Ankorondrano,… ary eo ihany koa ny Hotely Fitsaboana, ka 5 eo ankehitriny no re fa efa noresahina sy nifampiresaka tamin’ny Fanjakana. Etsy andaniny, maneho ny fahavonany ny mpitsabo mpanampy, saingy mila hentitra ny feno ny fiarovan-tena. Na izany aza, nampahatsiahy ny Filohan’ny holafitry ny Mpitsabo mpanampy Ralibera Jerisoa omaly tamina fampahalalam-baovao iray, fa tsy mbola nalohan’ny Fanjakana na ny Ariary aza ny “indemnité de requisition” 228 tamin’ny taon-dasa. Tao amin’ny tambajotran-tseraserany kosa no nilazany fa “solution pragmatique et pérenne” na vahaolana tena mety sy tsy misavoambona ary mahomby no takian'ny vanim-potoana ankehitriny fa aoka izay ilay “TIP TOP” mody handokadokafana ny Paramedy ho tsara sitrapo, fa tsy maha aro ny ainy na mba hiantoka ny hoavin'ireo zandry mpilatsaka an-tsitrapo na “bénevoles” ireo izany satria ianareo ihany no hiteny atsy ho atsy rehefa mitaky “récrutement” ireo olona ireo hoe izahay tsy nanao fanekena handray anareo ho mpiasam-panjakana”, hoy izy.

NARARY NA MARARY NY 60% AMIN’NY MPITSABO
 Omeo fiofanana avokoa rehefa mpiasan'ny fahasalamana mba ahafahanay mandray antanana ny marary hatreny amin'ny fokontany fa betsaka ny olona marary tsy miala eny noho ny antony maro; sokafy ny “Récrutement Massif” fa efa miandry te hanolo-tanana ao ireo paramedy 10 000 tsara sitrapo, fa tato anatin'ny iray volana farany ange ka narary na mararin'ny covid ny 60% mpiasa ka izao hita izao ny tsy fahampiana, mila tosika malaky ireo sao "hanipy gants"eo tokoa, hoy hatrany i Paramedy Ralibera.
Omeo ireo “motivation” kely anjaran'izy ireo fa efa nivadika ny taona,… Tsy misy afaka manda intsony izao fa ilaina, tena ilaina ny paramedy ary io no hazondamosin'ny rafitry ny fahasalamana araka ny tenin'ny Tale Jeneralin’ny OMS Dr Tedros, ka asakasak'izay mbola hanao tsinontsinona azy ireo ihany, hoy ity Mpiasan’ny fahasalamana ity.

Toky R

Dans la même rubrique