airtel

Covid 19

15-déc-2021

Covid 19

Tsy fahampiana torimaso-havizanana Mampahazo vahana ny coronavirus

Sample post image

Tsy fahampiana torimaso, havizanana, fanaviana....dia mety hampahazo vahana ny valan'aretina covid 19 ao anatin'ny olona iray raha araka ny fanazan'ny dokotera fidy bariniaina.

15-déc-2021

 Toraka izany koa ireo vehivavy bevohoka tsy mahasakafo eo amin'ny fahatelo volan'ny kibony, fotoana mampidina ny hery fiarovana ao anatiny. Tokony hitandrina araka izany ny tsirairay hoy dokotera Fidy Bariniaina hanao ny fomba rehetra hampiakarana ny hery fiarovana. Anisan'izany ny fihinanana legioma sy voankazo isan-karazany. Ny fahampian'ny torimaso, ny tsy fanaovana fanatanjahantena be loatra indrindra indrindra fa ny fanaovana vaksiny . Ity farany moa dia nambarany fa efa maro karazana azo hisafidianana ka tsy tokony ho sakana intsony ny siosion-dresaka mandeha toy ny tamin'ny fampidirana voalohany ny vaksiny covishield teto amintsika. Tsy an-tery anefa izany fa safidy malalaka ho an'ny tsirairay hoy hatrany ny dokotera Fidy Bariniaina.
Pati
 

Dans la même rubrique