airtel

Covid 19

06-avril-2021

Covid 19

Tsy fahampian’ny “oxygène” Ahiana hampitombo isa ny matin’ny covid-19

Sample post image

“Bouteille d’oxygène” 800 izao no eo am-pelatanantsika raha 600 no ilain’ny Hopitaly manerana ny Nosy,

06-avril-2021

 

 

 

 hoy ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny kabariny ny sabotsy 03 aprily teo. Ny alakamisy nialoha io, dia efa niaiky ny tsy fahampian’ny “oxygène” ny Minisitry ny fahasalamana Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ary nilaza fa efa natao ny kaomandina “générateurs” famokarana izany maika amin’ny alalan’ny antso tolo-bidy. Maimaimpoana ny fanafody hitsaboana eny amin’ny Hopitalim-panjakana rehetra. Nanentana ny rehetra hanantona ny toeram-pitsaboana vao misy mampiahiahy ny Filoha. Nanamafy ireo lamina efa napetraka, fa ny CSB rehetra no mandray ny “forme legère” na mbola tsy tena atahorana, ny CTC-19 no mandray ny “forme modérée” ka hosokafana rahampitso alarobia izao ny CTC-19 eny Alarobia. Ny CHU, hopitaly manara-penitra no mandray an-tànana ireo “forme graves”. Araka ny voalaza etsy ambony, dia maimaimpoana ny fanafody hitsaboana covid-19 eny amin’ny Hopitalim-panjakana, ary tokony ho tafiditra ao anatin’izany ny “oxygène”. Io no isan’ny olana goavana eto amintsika, ary tena loza dia maro ireo marary tsy voaray intsony any amin’ny Hopitalim-panjakana. Ifampitadiavana ny “oxygène”, ary ny tsy fahitana an’io matetika no tena mahafaty marary. Vidiana hatrany amin’ny 450 000Ar ny “bouteille” iray, ary manodidina ny 260 000Ar rehefa hameno azy, izay tsy maintsy soloina isaky ny 24ora. Misy marary aza mety handaniana 3 na 4 isan’andro. Manodidina ny 250 eo amin’izao fotoana izao ireo marary mafy eto amintsika, ary ambony be ny risika hitomboan’izany noho ny endri-pisehoan’ny covid-19 dia ilay “variant Sud-Africain” izay manempotra sy mamono vetivety. Tena ampy amin’ny Filan’ny marary ve izany “bouteille doxygène” 800 isa izany? Tsy fanamorana azon’ny Fanjakana ve eo anatrehan’ny vidiny an’hetsiny maro? Ny Hopitalim-panjakana hipoka tsy mandray ny ankamaroany. Mijaly ny vahoaka, izay sahirana sy tsy manam-bola sanatrian’ny vava miandry fahafatesana. Mila ampahafantarina mazava ihany koa hoe: aiza ny toerana ahafahana mividy “oxygène” mba tokony ho zakan’ny rehetra ny vidiny? Ny mpitondra ambony mety afaka manao EVASAN (Evacuation Sanitaire) fa ahoana ny madinika? Tsy sasatra ny manentana ny olom-pirenena isika hoe: “Aleo misoroka, toy izay mitsabo”mba tsy hanenenana.

Toky R

Dans la même rubrique