Tsy ahitana olona manao arovava orona intsony koa eny an-dalambe, antony nanaitra ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS ho taitra mafy ka nanaitra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Toa heverin’ny sasany ho adala mihitsy aza ireo mbola manao izany ka tsy vitsy ireo mihomehy anankam-po. Raha tsiahivina anefa dia mbola misy hatrany ny olona matin’ny COVID 19 eto amintsika. Toraka izany koa ny aretina tazomoka sy ny pesta ary ny kitrotro, aretina voasokajy ho mamono olona avokoa. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny haino ama-jery ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny OMS noho izany. Nomarihin’izy ireo fa ireo zokiolona sy ireo vehivavy bevohoka ary ireo ankizy madinika no tena atahorana amin’ireo karazan’aretina ireo ka tokony samy hitandrina ny tenany no sady hiaro ny hafa ihany.
Pati
Legende : Heverin’ny sasany ho adala ireo olona manao arovava orona eny an-dalana amin’izao
Miakatra hatrany ny isan’ny trangana coronavirus eto Madagasikara, raha tarafina amin’ny antontan’isa. Tafakatra 78 indray mantsy ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro farany dia 18 hatramin’ny 24 martsa.