airtel

Covid 19

31-mars-2021

Covid 19

Tsy maharaka intsony ny hopitaly Nosokafana ny CTC-19 Mahamasina

Sample post image

Tsy omby intsony ny hopitalim-panjakana mandray ireo mararin’ny coronavirus, ka nanokafana ny CTC-19 izay iandraketan’ny

31-mars-2021

 

 

 tafika Malagasy amin’ny alalan’ireo mpitsabo miaramila ao aminy. Hisokatra 24/24ora izy io, ary afaka handray marary tsy manana fahasarotana miisa 200 izany hoe tsy mandray ireo “cas grave”, fa eny amin’ny Hopitaly Lehibe ihany. « Medecins militaires » miisa 36 no hifandimby hiasa ao, misy « concentrateurs d'oxygène »,… Tonga nitsidika teny an-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Nohazavain’ny Praiminisitra fa tsy maintsy ampitomboina ny fahafahana mandray marary iharan’ny covid-19, ary nanome toromarika hanokafana CTC roa ny Filohan’ny Repoblika, dia ny any Ivato sy ao Mahamasina izany, ary ezahina ny hanome izay fitsaboana tena ilain’ny marary amin’ireo ivon-toerana ireo. « Iarahantsika mahalala fa mifarimbona amin’ny fandraisana an-tanana ny marary ny ao amin’ny governemanta manontolo, ary ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no mandrindra ny asa rehetra atao amin’ny ady amin’ny covid-19, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Faritra rehetra », hoy ny tenany. Niantso ny tsirairay andraikitra hampihatra ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra teo aloha ny Praiminisitra, mba tsy hahatongavan’ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana fepetra hafa, toy ny famerenena ny fihibohana, ho fitsinjovana ny fahafahan’ny vahoaka Malagasy miaina malalaka ny fiainana andavanandro. Nambara fa efa mijery akaiky an’ireo toby fitsaboana ny fitondram-panjakana, mba hananan’izy ireo mpitsabo, fanafody, ary mpitsabo mpanampy ara-dalàna, ka hojerena ihany koa ny hahafahan’izy ireo mitily ny aretina rehetra. Nomarihiny fa maro amin’ireo hopitaly eto an-toerana no manana milina mamokatra « oxygène », nefa mbola misy ny tsy fahampian’izany eo amin’ny fitsaboana. Izay no iarahana miasa amin’ny orinasa mpamokatra sy mpivarotra « oxygène », ka ialana ny fanaovana « réquisition » azy ireny, dia nomena toromarika hiasa 24/24ora. Isan’ny olana be eto Madagasikara anefa io amin’izao, ary efa tena vidian-dafo ny « oxygène » satria misy mahatratra hatrany amin’ny 1 800 000Ar ny filàna ho an’ny marary eny amin’ny Hopitaly sasany.

Toky R

Dans la même rubrique