airtel

Covid 19

21-sept-2022

Covid 19

Vakisinin’ny Covid 19 Nanome « Janssen » miisa 79.200 i Afrika Atsimo

Sample post image

Nampahafantatra ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana malagasy fa tonga omaly 20 septambra 2022 ny fatrana vakisiny hiadiana amin’ny Covid 19, « Janssen » miisa 79.200,

21-sept-2022

izay fanampiana avy amin’ny repoblikan’i afrika atsimo amin’ny alalan’ilay fomba fiasa iraisam-pirenena AVAT sy COVAX. Ny 20 martsa 2020 no nahitana trangana Coronavirus voalohany teto Madagasikara, raha tsiahivina. Ny jona 2020 kosa isika no niditra tao anatin’ny andiany voalohany. Raha ny tarehimarika ofisialy voaray farany hatramin’ny 18 septambra 2022 teo dia miisa 66.665 ireo tranga voamarina ary miisa 51.610 kosa ireo fitiliana natao ary nanome tahan’ny isan’ireo marary ho 13%. Miisa 1410 kosa ireo maty, izany hoe, 2,12%. Tsy an-tery ny fanaovana ny vaksiny iadiana amin’ny COVID 19 ary natokana ho an’ireo feno 18 taona no mihoatra ihany. Na izany aza anefa dia nampahafantarin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ny vaksiny dia natao hiarovana ny isam-batan'olona tsy ho mora handairan'ny valan’aretina COVID-19, ary indrindra isorohana ny amin'ny tranga misy fahasarotana. Iray amin'ireo paikady entin'ny Fitondram-panjakana iarovana ny vahoaka, manampy ny CVO sy ny CVO +ary ny fanajana ireo fepetra sakana ny vaksiny. Tonga ireto vaksiny ireto moa ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, Dr Yasmine Lethicia Lydia, izay nisolo tena ny Ministrin'ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo Randriamanantany.
Pati sy J. Mirija

Dans la même rubrique