airtel

Covid 19

27-août-2021

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus 3500 no efa nitsindrona Janssen hatreto

Sample post image

Miisa 3 500 hatramin'izao ny olona efa nisitraka ny vaksiny Janssen an'ny laboratoara Johnson and Johnson hatramin'ny 11 Aogositra 2021

27-août-2021

 hoy ny Tale misahana ny fitantanana ny fanaovam-bakisiny eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Rakotonavalona Rivomalala. Ao amin'ny CHU Joseph Raseta Befelatanana irery ihany no ivon-toerana manokana afaka hanatanterahana izany hatramin'izao aloha. Laharam-pahamehana amin'ity sokajim-bakisiny ity ireo mpianatra handrato fianarana any ivelany sy ny mpamita iraka any ampitan-dranomasina nohon'ny antony ara-taratasy izay takian'ny firenena handehanany. Misitraka izany koa ireo mpiasan'ny fahasalamana. Misy an’ity fanazavana ity momba ireo olona laharam-pahamehana, ka mampametra-panontaniana ilay filazam-baovaon’ny Antenimieram-pirenena ny 20 aogositra teo fa miisa 219 ireo Solombavambahoaka sy mpiasan'ny Antenimierampirenena nisafidy ny vaksiny Janssen izay notanterahana tamin’io andro io 2021 teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza. Satria ve manam-pahefana izy ireo dia afaka nisitraka mialoha na tsy ao anaty mason-tsivana aza? Raha ny fanazavana hatrany, dia ny AstraZenaca izay daozy faharoa aloha no alefa araka ny laharam-pahamehana. Ao anatin’ny roa herinandro voalohany aloha. Aorian’izay dia hisitraka ny Janshesn. 250 000 no vita AstraZeneca hatreto, raha toa ka 2hetsy eo ho eo no nafarana, mba hamaliana ilay 197000 vita tamin’ny adiany voalohany.
Toky R

 

Dans la même rubrique