airtel

Covid 19

12-juil-2021

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus Hanafatra Johnson & Johnson 165 600 i Madagasikara

Sample post image

Tamin’ny 10 mey no nanomboka ny fatra voalohany, ary miandrandra ny faharoa iska. Efa miasa amin’izany ny Minisiteran’ny fahasalamana, ary manao izay ahazoana izany.

12-juil-2021

 Hanao izay ahazoana vaksiny hafa ihany koa, ka 165 600 doses ny Johnson & Johnson, fiaraha-miasa amin’ny Amerikana amin’ny alalan’ny USAID, izay andrandraina ho tonga amin’ny volana aogositra.

MBOLA MIKATONA NY SISIN-TANY
Nambaran’ny Praiminisitra fa fantatry Fanjakana fa misy fiantraikany amin’ny tontolon’ny fihariana ny fepetra. Ny sidina avy any ivelany, dia mbola vitsy kely no raisina. Ho an’ny fizahantany, dia tena misy fiantraikany izany, izay no nandraisana fepetra fa haato aloha ny fandraisana hetra amin’io sehatra io, nojerena ny fifampiresahana amin’ny resaka vidin-jiron’ny jirama,… 104 amin’izao ny firenena miaina sahady ao anatin’ny “Variant Delta” tena misy fiantraikany goavana be tany amin’ny firenena Indianina sy miparitaka maneran-tany. Tena mahery vaika raha oharina amin’ny hafa toy ny Alpha (Britanika), Beta (Afrikana Tatsimo izay efa misy eto, Gama (Breziliana). Mampatahotra ny zava-misy any ivelany, betsaka ny firenena manakatona ny sisin-tany, ka tsy maintsy mandray fepetra manohy ny fanakatonana ny sisin-tany isika, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Toky R
 

Dans la même rubrique