airtel

Covid 19

02-sept-2021

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus Hanafatra Johnson & Johnson 8 tapitrisa fatra i Madagasikara

Sample post image

Nampahafantarina tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 01 septambra 2021 ny fahazoana vaksiny Johnson & Johnson manodidina ny 8 000 000 fatra ny firenena Malagasy.

02-sept-2021

 Nambara fa ao anatin'ny fampiharana ny Drafitra Nasionaly momba ny fanapariahana sy fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny Covid-19 isika, ka hanafatra vaksiny miisa 8.000.000 fatra Johnson & Johnson na « Janssen » ny fanjakana Malagasy. Nomarihina fa vokatry ny fifandresen-dahatra teo amin'ny fitondram-panjakana sy ny Banky Iraisam-pirenena dia nahazo famatsiam-bola tsy haverina mitentina 100.000.000 dolara hividianana vaksiny sy hanohanana ny sehatry ny fahasalamana mba hiatrehana ny valanaretina Covid-19 i Madagasikara. Marihintsika etoana kosa anefa, fa tsy hoe : vao zava-baovao io, fa efa noresahina sy tafiditra tamin’ny fifanaovan-tsonia ara-bola 490 000 000 dolara teny Iavoloha ny 21 jolay. lo famatsiam-bola io no hanafarana ny vaksiny Johnson & Johnson izay anisan'ny vaksiny nankatoavin'ny « Académie Nationale de Médecine de Madagascar ». Misy ihany koa ny ampahany amin'io famatsiam-bola io natokana hividianana scanners, radiographies numériques, aryambulances, ary hanofana drônes itondrana ny vaksiny sy ny fanafody amin'ny faritra saro-dalana, hoy ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra. Raha ny famaritana tany aloha moa, ary raha tsy misy ny fiovana dia manodidina ny 10 tapitrisa na ny 50% amin’ny Malagasy any ho any ny olona kendrena ho vita vaksiny eto Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 2023, izany hoe mbola afaka 2 taona. Ho an’ny fenitra iraisam-pirenena, hatrany amin’ny 70-80% amin’ny vahoaka ao amin’ny firenena iray no vita vaksiny vao mipetraka ny antoka ara-pahasalamana. Somary mbola lavitra ezaka io ho an’i Madagasikara, ary lasa sakana amin’ny lafiny maro, indrindra ny ara-toekarena, raha tsy hilaza afatsy ny resaka fanokafana ny sisin-tany, ny tsy fananan’ny avy any ivelany antoka ara-pahasalamana amintsika, fa indrindra ny loza mbola mandindona hatrany satria tsy mbola tena resy ny valanaretina kanefa ny vaksiny mbola tena kely ny olona vita,… Ny fanarenana ara-toekarena anefa miankina amin'ny ara-pahasalamana, ary tsy afaka hiandry an-taonany satria efa tena henjana ny zava-misy amin'izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique