airtel

Covid 19

08-avril-2021

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus Hisafidy ny Spoutnik V Rosianina i Madagasikara ?

Sample post image

Nanatitra ny taratasy manendry azy ho masoivoho vaovaon'i Rosia hiasa eto Madagasikara i SEM.Andreev Andrey Vladimirovich,

08-avril-2021

 

 

 izay noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 7 aprily 2021 teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra ny fihaonan'ny roa tonta ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'ny firenena rosiana sy Madagasikara sy ny hanatsarana izany. Nofakafakaina hatramin’ny endri-pifaneraserasana sy ny fifandraisana, izay isan’ny nisongadina tany amin’ny Repoblika faharoa nitondran’ny Filoha teo aloha Itompokolahy Didier Ratsiraka. Naneho ny Rosianina fa vonona ny hanamafy ny fifandraisana amin'ny firenena Malagasy indrindra eo amin'ny sehatry ny angovo, ny fahasalamana ary koa eo amin'ny ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena, hoy ny fampitam-baovao. Noresahina ny toe-draharaha ara-pahasalamana. Ao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus isika amin’izao fotoana izao.

FIFANDRIFIAN-JAVATRA VE ?

Ny volana oktobra 2019 no nivahiny tany Rosia niatrika ny fihaonana lehibe “Russie-Afrique” tany Sotchi ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy tena nisy tohiny sy akony tamin’i Madagasikara anefa io tamin’ny ankapobeny. Ankehitriny, ao anatin’ny krizin’ny valanaretina mametraka ny masoivohony ny Rosianina. Fifandrifian-javatra ihany ve sa misy ifandraisany amin’ny resaka fiatrehana ny valanaretina eto Madagasikara? Niresaka ny tontolo ara-pahasalamana rahateo ny roa tonta. Ny Rosianina izay isan’ireo mamokatra vaksiny antsoina hoe “Spoutnik V” hiadiana amin’ny vanalaretina coronavirus? I Madagasikara izay naneho tamin’ny alalan’ny Filoham-pirenena fa hampiditra vaksiny, ary roa hatreto no voalaza fa mahafeno ny fepetra tadiavintsika. Midika ve ity fanatsarana ny fifandraisana ara-diplaomatika ity, fa ny vaksiny Rosianina no isan’ny hampidirina eto Madagasikara ?

Toky R

Dans la même rubrique