airtel

Covid 19

24-mars-2022

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus Mbola vitsy ireo olona resy lahatra

Sample post image

Mbola vitsy ireo olona resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny valan’aretina COVID 19 eto amintsika. Raha araka ny fanadihadiana natao teny rehetra teny mantsy dia 4 na 5 isan’andro

24-mars-2022

ihany ireo olona tena vonona ny hanao izany raha ireo mpanontany no betsaka. Amin’ny ankapobeny dia ilay vaksiny Jansen no tena tadiavin’ny olona izay tsiahivina fa fatra tokana ihany mialohan’ilay fatram-baksiny fanampiny na bosta. Noho ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fanazavana hoy ny olona no antony tsy mampaharisika azy ireny hanao ilay vaksiny. Samy manana ny toe-batany mantsy ny tsirairay hoy ny Raim-pianakaviana iray ka ilaina hatrany ireo dokotera manam-pahaizana mba hanazava izany eny amin’ireny toerana fanaovam-baksiny ireny, eny fa na dia ho an’ireo fiara mandehandeha aza. Nanamafy moa dokotera Fidy Bariniaina omaly fa vao ny 4%-n’ny Malagasy no vita vaksiny iadiana amin’ny COVID 19 hatreto. Tokony hahatratra hatrany amin’ny 50% izany mandrapahatongan’ny faran’ny taona raha araka ny fanazavany ihany. Mampiakatra ny hery fiarovana mantsy ny fanaovam-baksiny hoy hatrany dokotera Fidy eny fa na dia ho an’ireo olona efa lasibatr’ity aretina ity aza. Tsy tokony hiantehatra amin’izao havitsian’ny olona tratry ny aretina COVID 19 izao isika hoy hatrany ity dokotera ity fa samy hihazakazaka hanao vaksiny. Tsiahivina moa fa tsy azo hatao vaksiny iadiana amin’ny COVID 19 ireo ankizy latsaky ny 18 taona.
Pati
Legende : Ilaina ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny corona hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana !
 

Dans la même rubrique