airtel

Covid 19

13-juil-2021

Covid 19

Vaksinin’ny Coronavirus Ny ambany kalitao hatrany no hafarana

Sample post image

Efa niteraka resabe farany teo ny mikasika ny vaksiny Covishield, izay lasitra iray na ilay antsoina hoe “générique” amin’ny vaksiny Astrazeneca.

13-juil-2021

Manana taha-pahombiazana hatramin’ny 82,4% moa izy ity ho fiarovana amin’ny valanaretina Coronavirus efa nandalo teto Madagasikara, raha ny fanazavan’ireo mpikaroka sy mpitsabo. Izany hoe, laharana fahadimy amin’ireo karazam-bakisiny miisa 8 natao hiadiana amin’ny aretina Covid 19 hita hatreto. Tsiahivina hatrany fa raha ny vokatra santatra tamin’ireo andrana klinika natao hatreto dia ny vakisiny Pfizer & BioNTech niarahan-drizareo Amerikanina sy alemanina nikaroka izany no manana izay taham-pahombiazana na “taux d’efficacité” ambony indrindra hiadiana amin’ny Covid 19 izay satria dia 95% izany taha izany. Manaraka azy ny Moderna Amerikanina, 94,5%. Fahatelo ny Sputnik V an’ny Rosianina, 91,6%. Ny Novavax, izay mbola an’ny Amerikanina hatrany no fahahefatra, 89%. Ny fahadimy moa dia ilay voalaza teo dia ny Covishield, izay iray lasitra amin’ny Astra Zeneca an-drizareo Anglisy sy Soedoa fa nadikan’ny indianina, 82,4%. Ny Sinopharm an-drizareo Sinoa no fahaenina, 79%. Aty amin’ny laharana fahafito vao ahitana ny Jhonson & Jhonson an-drizareo Amerikanina hatrany, 72%. Ny Coronavac an’ny sinoa kosa no zara raha manana taham-pahombiazana 50% amin’izy rehetra ireo. Voalaza fa sisam-bakisiny avy any Congo moa ny Covishield nalefa teto Madagasikara farany teo, raha ny fampatsiahivana nataon’ny mpandinika raharaham-pirenena, Tintin Ravonison, azy. Ny ambany kalitao amin’ireo vaksiny misy hatrany, araka izany, no hafarana eto, raha ireo voka-pikarohana no jerena.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique