airtel

Covid 19

17-juin-2021

Covid 19

Vaksinin’ny coronavirus Tokony hampitomboina ny safidy, alalahana ny fanafarana

Sample post image

Lesoka tamin’ny resaka fahazotoana hanao vaksiny eto amintsika ny fihetsika sy ny serasera nampiasain’ny Fitondram-panjakana.

17-juin-2021

 

 Ilaina anefa io, ary ny vaksiny no sokajiana ho fanefitra ara-tsiantifika azo antoka sy ankatoavin’izao tontolo izao. “Matahotra AstraZeneca ny olona noho ny nataon’ny Fanjakana, indrindra ny Minisitry ny serasera”, hoy ny depiote Roland Ratsiraka omaly. Isan’ireo nanaratsy ny vaksiny AstraZeneca sy nanamarina ny safidin’ny Filoham-pirenena tany aloha amin’ny tsy mbola hampidirana vaksiny moa io Minisitra io. Nampiditra vaksiny anefa ny Fanjakana, saingy tsy araky ny nambarany fa ny Covishield iray fototra na “générique” an’ny AstraZeneca fa vokarina any Inde no azontsika. Ny siantifika toy ny Minisitry ny fahasalamana teo aloha Pr Yoel Rakotomalala kosa dia nanamafyy, tapa-bolana lasa teo hoe izay, fa mahomby ny vaksiny, ary 1 ka hatramin’ny 4 amin’ny vaksiny iray tapitrisa no mety ho risika amin’ny fivainganan-drà, ary mahomby amin’ny karazana “variants” io, araka ny tatitry ny siantifika tany Eoropa. Tsy mbola misy tatitra ofisialy, saingy eo amin’ny 25% tamin’ny nafarana no lany, tsy misy fanentanana mihitsy ataon’ny Fanjakana, ary tsy mba nanao izany ny Filoham-pirenena, tsy niresaka an’io akory tamin’ny kabariny, raha ny fanehoan-kevitry ny depiote Roland Ratsiraka. Aminy, tokony halalahana ny fanafarana karazana vaksiny, ary farafaharatsiny mba ny 30% amin’ny Malagasy no vita mba hihazoana fiarovana iraisana. Ny fanaovana vaksiny no antoka ahafahana mamelona ny toekarena, ka isan’ny nomarihiny fa ny mpandraharaha amin’ny fizahantany izay nampiditra amina miliara isan-taona dia zara raha mahatafiditra 500 000 isam-bolana sisa.

Toky R

Dans la même rubrique