tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 17 Juin 2021

airtel

Covid 19

Vaksinin’ny Covid 19 Tsy mahazo manafatra na mivarotra ny tsy miankina

Nisongadina hatrany tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra izay natao tamin’ny alalan’ny “visioconférence”

29-avril-2021

Sample post image

 

 ireo fepetra ireto hiadiana amin'ny fihanaky ny valanaretina COVID-19. Nampahantarina fa ho avy tsy ho ela amin'ny fiandohan'ny volana may ny vakisiny azontsika avy amin'ny fandaharan’asa « initiative covax ». Handrindra ny fanatanterahana izany miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka ireo siantifika manam-pahaizana Malagasy miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamana. Nomarihina fa ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra vaksiny saingy azo tanterahana kosa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina. Raràna ny fivarotana vaksiny ho an'ireo mpandraharaha tsy miankina. Ireo mpandraharaha sy vondrona mpandraharaha te hanao vaksiny ireo mpiasa ao aminy dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin'ny fanjakana Malagasy. Ireo masoivoho vahiny te hanao ny vakisiny kosa ho an'ireo mpiasa ao aminy dia omena fahazoan-dalana ary miantoka tanteraka ny fanarahana ny fahasalaman'ireo olona ao aminy heverin’izy ireo atao vakisiny. Ankoatra izay, mba hiarovana ny Malagasy amin'ny mety ho fahatafidiran'ireo variants Covid-19 hafa eto Madagasikara, dia tsy maintsy manao fihibohana 14 andro nanomboka tamin'ny fotoana nidirany teto ireo ireo mpandeha tamin’ny sidin’ny Air France AF934. Arahana akaiky ny fahasalaman'izy ireo ary tsy maintsy manao fitiliana amin'ny fifaranan'ny fihibohana vao mihazo ny tokantranony avy ireo aorian 'izany. Nohamafisina ny tsy fandraisana mpandeha avy any ivelany intsony miditra eto amintsika araka ny fanapahana efa noraisina. Notapahana ihany koa ny fanomezan-dalana amin'ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ny tataon-ketra amin'ireo fitaovana fanaovana fitiliana izay fanomezana voaraintsika. Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka izay mbola tsy voafetra ireo fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena tokony ho tontosaina eto Madagasikara ary handraisan'ireo atletantsika anjara.

Toky R

Dans la même rubrique

Card image cap
Vaksinin’ny coronavirus Tokony hampitomboina ny safidy, alalahana ny fanafarana
17-juin-2021

Lesoka tamin’ny resaka fahazotoana hanao vaksiny eto amintsika ny fihetsika sy ny serasera nampiasain’ny Fitondram-panjakana.

Card image cap
Antananarivo sy Toamasina Faramparany vao mirohotra manao vaksiny ny olona
16-juin-2021

Izao vao mirohotra ny olona manao vaksiny ao amin’ny Vaccinodrome eny amin’ny kianja Malacam Antanimena.

Card image cap
Fisiana zavatra hafa ao anaty vakisiny Tsy mitombona, hoy ny fanazavana tekinika
16-juin-2021

Matoa ny Astrazeneca nanome alalana ny laboratoara hanao ny Covichield ho “générique”

Card image cap
Coronavirus 2 maty, 18 ny tranga vaovao
16-juin-2021

Olona roa teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus ny 14 jona teo.

Voir plus