airtel

Covid 19

05-juil-2021

Covid 19

Vaksiny "covishield" Ho azo amin'ny voalohandohan'ny aogositra ny fatra faharoa

Sample post image

Nohamafisin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Rakotovato Hanitrala Jean Louis, nandritra ny fifanatrehan’ny mpikambana ao amin'ny Governemanta tamin’ny solombavambahoaka teny amin’ny CCI Ivato ny 2 jolay,

05-juil-2021

 

 namaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena fa any amin'ny voalohandohan'ny volana aogositra any no tokony ahazoantsika ny fatra faharoa (2è dose) amin’ny vaksiny "covishield". Efa mikarakara ny taratasy rehetra mikasika izany ny tomponandraikitra eto anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka tarihiny, araka ny fanazavany hatrany. Manaramaso akaiky ny variant "Delta" ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ao anaty "expectative armée" isika, hoy izy miomana ary vonona raha sanatria ka misy izany fahavalo izay mety hanangasanga izany. Nanararaotra nisaotra ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy sy ireo rehetra izay nanome tanana ka nahazoana vokatra tsara manoloana ny ady amin'ny covid-19 ny Minisitra tamin’ny fandraisam-pitenenany.

Jean D.

Dans la même rubrique