airtel

Covid 19

18-janv-2022

Covid 19

Vaksiny iadiana amin’ny coronavirus Ny fihetsiky ny mpitondra no mampisalasala ny vahoaka

Sample post image

Mihena ireo mararin'ny Covid-19 eny anivon'ny CTC-19 hoy ny ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo omaly .

18-janv-2022

 Hita taratra ny fahombiazan'ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa eo anivon'ny Ministera manerana ny Nosy, ary tratra ny tanjona 1 000 000 ny olona vita vaksiny fanefitra covid-19 hoy hatrany izy naneho fisaorana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mikely soroka amin’ny fanatanterahana ny adidy amin'ny firenana . Nankasitrahany manokana ihany koa ny fanentanana amin'ny fiarovana, ny fitsaboana ary firotsahana an-tsehatra amin'ity ady amin'ny valan'aretina ity. Nanentana ny tsirairay hatrany Andriamatoa Ministra amin’ny fitandrovana sy fanamafisana ireo fihetsika fiarovan-tena amin’ny valan’aretina Covid-19, sy ny tokony hanatonana tobim-pahasalamana haingana raha sanatria misy soritr’aretina, mba tsy hanano sarotra ny fandraisana an-tanana. Ny 3,5%- n’ny malagasy any ho any izany no efa vita vaksiny amin’izao raha heverina fa 28 tapitrisa ny Malagasy rehetra. Hita ho ambany ihany io taha io, herintaona latsaka kely aty aorian’ny nanombohana ny fanaovana vaksiny raha oharina amin’ny firenen-kafa toa an’ny nosy Maurice, Seychelles sy Afrika Atsimo ohatra izay samy manakaiky an’I Madagasikara.Ny any amin’ny firenena hafa manan-katao moa efa tsy resahana intsony fa ambony dia ambony.Efa tsikaritra any ivelany sy eto Madagasikara fa ireo tsy vita vaksiny no maro tratry ny fahasarotana rehefa mararin’ny Coronavirus; manodidina ny 90 na 95%.Izay no antony maha zavadehibe ny fanaovana vaksiny saingy efa iaraha-mahalala ihany ny zavamisy eto Madagasikara fa ny mpitondra tsy rototra ka tsy atao mahagaga raha tsy marisika firy ny vahoaka.Ny an’ny olona dia ny filoham-pirenena sy ny governemanta iray manontolo no lohalaharana mmanentana amin’ny fanaovam-baksiny; ny eto dia milaza fa tsy mila vaksiny ny filoham-pirenena ary ny governemanta dia ny minisitry ny fahasalamana no miady irery, ny ankoatr’izay tahaka ny tsy mahalala akory ny fisian’izany vaksiny iadiana amin’ny coronavirus izany.
Legende: Miady irery ny minisitry ny fahasalamana, tahaka ny efa nataon’ireo mirahalahy teo alohany ihany
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique