airtel

Covid 19

08-déc-2021

Covid 19

Vaksiny iadiana amin’ny covid 19 Misoroka ny fahafatesana sy ny « forme grave »

Sample post image

Betsaka ireo olona mametra-panontaniana ankehitriny ny amin’ny antony mbola mahavoan’ny aretina Covid 19 ireo olona efa vita vaksiny ihany.

08-déc-2021

 Porofo mivaingana ahitana taratra izany ny fisian’ireo olona marary marobe any ivelany nefa efa saika vita vaksiny avokoa. Nitondra fanazavana mikasika izany Dokotera Fidy Bariniaina omaly ka nambarany nandritra izany fa ny fanaovana ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 dia miaro amin’ny fahafatesana sy misoroka ny forme grave izay tena atahoran’ny rehetra. Raha olona tsy vita vaksiny hoy izy no tratran’ny forme grave dia avy hatrany dia fahafatesana no miandry ny ankamaroan’izy ireny. Raha olona vita vaksiny kosa anefa hoy izy dia lasa maivana ny fisehon’ilay aretina na dia tokony havesatra be aza ka zary mijanona eo amin’ny sery sy ny kohoka madinika izany. Miantso ny rehetra mba hatao vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 araka izany Dokotera Fidy Bariniaina. Nomarihiny manokana moa fa mitondra karapanondrom-pirenena fotsiny ireo olona mihoatra ny 18 taona , manatona ny CSB II dia afaka misitraka izany.
Pati
Legende : Miaro amin’ny fahafatesana ny vaksinin’ny Covid 19 hoy ny Dr Fidy Bariniaina (Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique