airtel

Covid 19

05-nov-2021

Covid 19

Vaksiny Sinopharm Natao ho an’ny olona salama tsara

Sample post image

Vonona nanomboka omaly teto Analamanga ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 izay vitan-dry zareo sinoa na ny Sinopharm.

05-nov-2021

 Namarika ny mpitsabo fa olona salama tsara , tsy marefo ary tsy misy aretina mitaiza18 ka hatramin’ny 55 taona no afaka misitraka azy ity.Fatra 2 ilay izy ka mielenelana 3 ka hatramin’ny 4 herinandro ny tsindrona voalohany sy faharoa.Efa miparitaka amin’ireo distrika 4 eto Antananarivo dia Antananarivo renivohitra, Avaradrano , Atsimondrano ary Ambohidratrimo ny Sinopharm nanomboka omaly .Hatry ny omaly aloha dia tsy mbola nisy nisafidy ny vaksiny na dia efa vonona aza ny eny amin’ny Vaccinodrome CHU JRA sy CHU Befelatanana . Tsy mahazo manao ity vaksiny ity ny vehivavy behovoka na mieritreritra ny ho bevohoka ato anatin’ny 3 volana sy ny vehivavy mampinono.Efa vita ny alarobia moa ny fampihofanana ireo mpanao vaksiny.Ny Janssen izay fatra 1 sy ny Sinopharm izany no vaksiny fiarovana amin’ny Covid 1 misy eto Analamanga amin’izao fotoana.
RTT

 

Dans la même rubrique