airtel

Covid 19

12-déc-2022

Covid 19

Valanaretina Covid 19 1 no maty, 133 no tranga vaovao

Sample post image

Mba somary nihena kely ny isan’ireo voamarina fa voan’ny Covid tato aatin’ny herinandro, izany hoe ny «3 ka hatramin’ny 9 desambra raha oharina ny zava-nisy herinandro mialohan’io.

12-déc-2022

Nahatratra 133 ireo voamarina fa voan’ny valanaretina raha ny tatitra nivoaka omaly, nisy ny maty 1 ary miisa 3 ireo ao anaty « forme grave ». Mitsinjara amin’ny faritra 6 ireo marary ireo dia Analamanga loharaharana hatrany amin’ny fahamaroan’ny voa (93), Diana (14), Vakinankaratra (13) , Boeny (8), Matsiatra ambony (4) ary Atsimo Andrefana (1) .Herinandro mialohan’izao dia nahatratra 223 ireo voamarina fa voan’ny Covid 19 tamina faritra 12. Raha ny tsikarina eny an-dalambe, anaty fiara fitateram-bahoaka, any amina toeram-piasana na fivoriana sy eny anivon’ny fiarahamonina eny dia miha maro ny olona manao arovava orona noho ny fahafantarana fa lasa mitombo isa be ny olona voan’ny gripa mahery sy toa tratry ny havizanana tampoka izany. Mifanindran-dalana amin’izany dia hita fa miha maro koa ireo manatona mpisabo sy tobim-pahasalamana rehefa mahatsiaro ho hafahafa.Manamafy hatrany mpitsabo fa ny fisorohana no tsara indrindra, ary raha mbola azo atao dia aleo tsy mitangorongorna be aloha, tsy adino ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina toa ny voankazo sy ny legioma ary mila mitandrina fa tsy dia manao vizana loatra. Mazava ho azy fa fepetra mila hajaina foana ny fanasana tanana amin’ny savony na ny gel hydro alcoolique , izay fihetsika fototra miaro amin’ny fiparitahan’ny valanaretina.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique