airtel

Covid 19

30-déc-2021

Covid 19

Valaretina coronavirus “Mety afaka ity fety ity dia tratra ny PIC”

Sample post image

Tsy mitsahatra ny miova ny singa ao anatin’ny Coronavirus ary mamorona endrika na “variant” vaovao foana izany, hoy ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

30-déc-2021

 Ireo aloha izao no vakisiny hita, hoy izy. Mihazakazaka be ny isan’ny olona matin’ilay Coronavirus. Ny fikarohana rehetra dia inoako fa mbola hisy fivoarany foana. Raha ny nambaran’ny minisiteran’ny fahasalamana farany dia saika ireo tsy nanao vakisiny no tonga amin’ny fahasarotana na “forme grave”. Mipetraka tsara noho izany hatreto ny hoe miaro ny olona na dia tsy 100% aza ilay vakisiny ka mampiakatra ny hery fiarovana ao anatintsika ahafahantsika maha tohitra ilay aretina ka na voa aza isika dia tsy tonga amin’izay fahasarotana izay. Ny olona vita BCG koa mbola mety ho voan’ny koha-davareny fa voaaro amin’ilay aretina. Ireo tsy vita vakisiny no saika lavon’ny Coronavirus na mbola vitsy aza ireo nanao. Mifindra amin’ny fofon’ain’olona marary io aretina io. Manana toe-batana matanjaka koa nefa isika afrikanina. Mety ho anton’izay voalohany ny hoe tsy zatra fanafody isika dia tena miasa ny hery fiarovana. Mifanohitra amin’izay ny vahiny. Faharoa dia vaovao daholo ny foto-tsakafon’ny afrikanina. Vary sy voakazo avy eny an-tanimboly hanina fa mbola tsy voaodina. Zatra manao asa vatana koa ny afrikanina. Matanjaka amin’iny taovam-pisefoana sy avokavoka. Na ririnina aza aty mbola mafana. Madio kokoa ny rivotra iainana aty noho ny ozinina be any amin-drizareo. Jolay 2020 ny PIC voalohany teto. May 2021 ny faharoa. Ririnina daholo izay. Ity fanintelony ity izany dia anaty andro mafana. Mety misy noho izany ny fiovan’ny endriky ny Coronavirus. Lasa mazaka andro mafana izy fa amin’ny maha gripa azy dia tsy dia mahazo vahana firy. Aingam-pifindra izy fa tsy dia mamono hatreto. Mety afaka ity fety ity dia tratra ny PIC ary hanana ilay antsoina hoe immunité collective indray aloha izany ny olona. 6 volana hatramin’ny 1 taona no faharetan’io. Hatreto aloha mbola sarotra ny ahita vakisiny fanefitry ny Coronavirus, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique