airtel

Covid 19

10-mai-2022

Covid 19

Village Voara Andohatapenaka 15 minitra dia mivaly ny fitiliana ny Covid 19

Sample post image

Miisa 8 ireo olona marary tratry ny valan’aretina Covid 19 tsaboina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka amin’izao.

10-mai-2022

Misy ny tratr’ilay antsoina hoe : forme grave izany hoe : efa tena sempotra raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, tale misahana ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nohamafisiny araka izany fa mbola tena misy ilay valan’aretina Covid 19. Mbola mamely sy miparitaka ihany koa hoy izy ka tokony ho mailo ny rehetra. Anisan’ny hafatra nampitainy araka izany ny tokony hanatona mpitsabo raha vantany vao hafahafa. Efa mivaly ao anatin’ny 15 minitra ihany koa ny test TDR hanamarinana ny fisian’ny valan’aretina amin’ny olona iray hoy hatrany dokotera Manitra izay tsy handehanana lavitra intsony fa avy hatrany dia vita ao amin’ny Village Voara Andohatapenaka ihany. Notsiahiviny moa fa afaka manao vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 ho an’ireo mpiasa tsy manam-potoana eny anivon’ny toeram-piasana izy ireo. Azo hatao tsara izany na Sabotsy na Alahady hoy hatrany dokotera Manitra hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anaty hisorohana ity areti-mandoza ity. Marihina moa fa nahitana fiakarany indray ny ireo olona tratry ny Covid 19 eto amintsika, rah any salan’isa farany no jerena. Mody miantomboka amin’ny sery sy ny kohoka izany, mitohy any amin’ny tsy fahazoana rivotra sy ny fahasemporana ary mety hahafaty tampoka mihitsy raha tsy voatsabo. Hatreto anefa dia vao ny 3%-n’ny Malagasy no vita vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 raha ny 30% no tokony hotratrarina hatramin’ny taona 2023.
Pati
Legende : Mbola tena mamely ny Covid 19 amin’izao
 

 

Dans la même rubrique