airtel

Covid 19

12-avril-2021

Covid 19

Voan’ny covid-19, mijoro vavolombelona “Négatif” ny PCR, tamin’ny “scanner” vao hita

Sample post image

Raim-pianankaviana iray afohizana amin’ny anarana hoe AS no nanaiky hijoro vavolombelona sy hitantara

12-avril-2021

  

 

ny zavatra niainany ny valanaretina coronavirus, rehefa nantonin’ny eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana (TT):Tamin'ny fomba ahoana no nahazoana covid-19?

AS: Nifanerasera mivantana taminy marary covid-19 satria mpiasan’ny fahasalamana ny tenako, ary mety ho tamin’izany no nahavoa na dia efa tena hentitra aza ny fiarovana. Ny 31 Mars 2021 no efa niseho ny soritr'aretina ary dia natao ny fitiliana fa “négatif” ny valiny. Ny 3 aprily no fantatra fa voan’ny covid-19 aho tamin'ny alalan’ny fanaovana “scanner”, ka 10% ny fahasimban’ny avokavoka, soa mbola tsy tena simba be.

TT: Inona ny fihetseham-po voalohany raha vao fantatra hoe voa? Nahoana ny misafidy ny hitsabo tena aty an-trano ? Nanao ahoana ny fandraisan'ny manodidina?

AS: Nanambony ny moraly, nihezaka ny ho tony, nesorina tao an-tsaina ny hoe: voan’ny covid-19 fa dia niezaka nitsabo tena fotsiny. Nisafidy ny hitsabo tena aty an-trano aho satria efa be loatra ny mararin’ny covid-19 any amin'ny hopitaly. Ato an-trano tsy misy mifanerasera be loatra. Mbola tsy tena potika be rahateo ny avokavoka, dia efa fantatra fa voa. Ny manodidina, tsy misy olana fa mitovy ny isan'andro ihany, fa ny fifanakaikezana no nosorohana, ary izao rahateo mitokana mandra-pahasitrana.

TT: Inona avy izany no niova tamin’ny toe-batana? Taiza avy ny tena narary? Ahoana ny tanjaka amin'izao?

AS: Ny toe-batana tena reraka sady marefo. Ny tena narary, ny tratra sy ny tenda ary ny loha mila tsy ho zaka mihitsy. Efa miverina tsikelikely ny tanjaka amin’izao na hita ihany aza hoe mbola reraka. Ny fiainana sy ny fihetsika nohamafisina ny “geste barrière”. Nitandrina kokoa noho ny teo aloha.

TT: Karazany firy ny fanafody nampiasaina? Nandany ohatrinona teo ianao? Resy lahatra amin’ny vaksiny ve ianao raha efa misy eto?

Karazana fanafody dimy (05) no nomen’ny dokotera: Azythromycine; denk mg 250m; Magné B6 ampoule buvable, vitamine  C 500mg; Omeprazole 20mg; Doliprane 1000mg. Tsy resy lahatra ny hanao vaksiny mihitsy alohatra hatreto. Ny OSTIE no mandray an-tànana ny fitsaboana.

TT: Aminao, mitombina ny hoe aretin'ny mpanan-karena sy mpanam-bola irery ny covid 19? Inona no hafatra ho an’ny mpiara-belona?

AS: Mety ho voa daholo ny olona rehetra tsy miaro tena.  Tena misy ny covid-19 (coronavirus), ary tena mahafaty haingana raha tsy voatsabo. Manantona toeram-pitsaboana raha vao misy soritr'aretina mba tsy ho tara dia tsy hanenina.

Toky R

 

Dans la même rubrique