airtel

Covid 19

01-déc-2021

Covid 19

Voka-dratsin’ny Covid 19 Nihena 13% ny harin-karen’ny Malagasy tsirairay

Sample post image

Tena niteraka voka-dratsy teo amin’ny asa fihariana tokoa ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika nanomboka tamin’ny taona 2020 no nankaty raha araka ny tatitry ny GEM

01-déc-2021

 omaly notarihin’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Atoa Thierry Rajaona. Nihena ho lasa latsaky ny 2% mantsy raha araka ny fanazavany ny fiakaran’ny harin-karena teto Madagasikara tamin’ny taona 2020 raha nitontongana ho 7% izany tamin’ny taona 2021. Ho an’ny olombelona tsirairay avy indray dia nomarihiny fa nihena ho 13% izany tao anatin’ny 2 taona antony tena mampitontongana izaitsizy ny fiainan’ny isan-tokantrano. Na izany aza anefa hoy izy dia efa nisy ny vokatra tsara azo tsapain-tanana tamin’ny fanarenana ny toe-karem-pirenena, indrindra fa eo amin’ny tontolon’ny asa. Anisan’ny nasiany resaka ohatra ny fiverenan’ireo orinasa lehibe nisokatra indray nanomboka tamin’ny volana Martsa taona 2021 toy ireo orinasa mpanodika nikela sy kobalta. Efa miverina misokatra ihany koa ho izy ireo firenena mpanjifa maomaro miaraka amin’ny Fitondram-panjakana saingy na izany aza mbola maro ny ezaka tokoa hatao.
Pati
 

Dans la même rubrique