airtel

Covid 19

08-déc-2021

Covid 19

Zaranaina Christian “Ampio aho hamongorantsika ny Coronavirus”

Sample post image

Tiako hazavaina amin’ny saintsika manoloana ny toe-java-misy eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana ankehitriny, hoy ny talen’ny fikarohana momba ny fitsaboana eo anivon’ny fondation Zaranaina,

08-déc-2021

 Zaranaina Christian, fa mpampitombo aretina na “amplificateur de maladie” ny valanaretina na “Virus”. Rehefa mitsofoka anaty tenan’olombelona izy dia sady mitady zavatra ao mba hivelomany sy hitomboany ary hiterahany, izany hoe, mitombo isa. Mampitombo aretina maro izy. Izay no mahatonga ny VIH ho fara-tampony amin’ny “virus” satria avy hatrany dia ny hery fiarovana no tafihany mba halemy. Amin’izay na inona na inona endrika aretina ao amin’ilay olona dia manararaotra amin’izay. Izay no hanazavana ny hoe koha-davareny be dia be mipoitra tampoka amin’izao fotoana, AVC amina olona mbola tanora, diabeta mitombo. Vahaolana maika indrindra ny fampiasana fepetra fiarovana na “geste barrière”. Tokony ho enjana dia enjana ny fampiharana an’iny. Faharoa ny resaka vakisiny. Miteny mandrakariva aho fa raha io vakisiny mifototra amin’ny “ARN messager” io dia tsy hahavita hamongotra an’io. Manana vahaolana isika dia ilay karazam-bakisiny na “serum vaccin” efa hananantsika “brevet”. Raha atao isika hoe hiditra fihibohana satria ny any ivelany efa miheritreritra ny hiditra amin’izany amin’ny taona ambony dia tsy zakan’ny toekarena Malagasy intsony izany. Tadidio fa ny 85%n’ny Malagasy dia voalaza fa mahantra. Ny 15% no mety ahavita raha misy fihibohana. Misy fanafody tena mahomby io, hoy aho, fa ampio aho! Ivelan’ny lamina iasako eo amin’ny rafitra iraisampirenena no ilazako hoe ampio aho eto Madagasikara mba hampiroboroboako io fanafody efa hananantsika raikipohy io dia io no aparitaka fa tena fongotra io Coronavirus sy Sars cov 2io fa tsy ilaina miditra fihibohana isika na fepetra hafa enjana be izany. Fitaovana, fiaraha-miasa, tekinolojia tsy mbola hananantsika no tadiaviko hanampiana ahy ny hampidirana azy eto fa tsy vola. Miha sarotra io maneran-tany satria izay areti-mandripaka na “pandemie” izany tokony ho voafetran’ny vanim-potoana kanefa isika io efa miditra amin’ny faha 3 taona ka ampio aho, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique