airtel

Covid 19

22-nov-2021

Covid 19

Zaranaina Christian “Azo fongorina ny Coronavirus”

Sample post image

Ny mandalina rehetra ny atao hoe valanaretina na “virus” dia samy mahalala fa miova vaika mandrakariva izany, hoy ny talen’ny fikarohana ao amin’ny sampan-draharaha vahiny iray no sady mpikaroka, Zaranaina Christian.

22-nov-2021

Toy izany koa, hoy izy, ny fiarovan-tenany miady amin’ny hery fiarovana. Ny mampiavaka ity karazana na “variant” an’ny Covid 19 hoe Sras COV 2 ity dia tena hita hoe haingana be ny fiovany. Miovaova be koa ny fomba fanafihany hery fiarovana. Midika izany fa tokony handraisana fepetra aingana be izy io. Ohatran’ny pesta izao taloha tena nandringana olona maro. Manimba toekarena ny fiverenana amin’ny fihibohana satria ny fahantrana efa mandazo ny olon-drehetra. Tena misy ny vahaolana. Mbola miezaka foana aho hatramin’izao miteny hoe tsy diso io teoriana “analogie structurelle” io. Azo fongorina tanteraka io Coronavirus io, ohatran’ny namongorana ny VIH. Hahafahana misoroka avy hatrany sy mifehy ny atao hoe “mutation viral” na fifamindrana valanaretina io. Anatin’ny voasoroka amin’izany ny fahafahan’ny “virus” miovaova sy miha mafy noho ny heriny taloha. Ahafahana misakana ny fitohizam-piainany io ary mahafehy azy ny hoe mamongotra tanteraka ilay valanaretina, hoy hatrany ny tenany, ka andao hampiasaina.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique