airtel

Dossier

29-juin-2022

Dossier

Asa sy fihariana Mahavelom-bady aman-janaka tsara ny dokera

Sample post image

Anisan’ny asa tena be mpanao asana dokera eto amintsika. Manomboka eo amin’ny faha-13 taonany mantsy dia efa misy misehatra amin’izany ireo ankizy zanaky ny sahirana eto an-drenivohitra sy ny manodidina noho ny tsy

29-juin-2022

fahafahany manohy ny fianarany intsony raha misy hatramin’ny 50 taona mahery ny zokiny indrindra. Tena mafy anefa ny asana dokera. Fanadihadiana mifandraika amin’izay no entin’ny gazety Tia Tanindrazana amintsika anio.
20 KA HATRAMIN’NY 150 KG
Tsy mora ny asana dokera. Tena mitaky hery sy tanjaka izany indrindra manoloana ireo entana tsy maintsy bataina sy tanterina isan’andro eny an-tsena. Raha araka ny fanazavan’i Nambinintsoa, anisan’ireo dokera ao Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano dia manomboka amin’ny 20 ka hatramin’ny 150 kg isan’andro ny entana taterin’izy ireo. Mitaky aina izany hoy izy saingy ny otra ihany no tena vahaolana raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ny aretin’ny vanin-taolana sy ny hatoka marary kosa no tena mpahazo azy ireny. Manomboka amin’ny 2.000 Ar ka hatramin’ny 6.000 Ar eo ho eo isan’andro ny lelavola azon’izy ireo izay fantatra fa mahavelona ireo vady aman-janany ihany. Na izany aza dia tena tsy mandeha ny asa rehefa fotoam-pahavaratra. Ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra sy ny ririnina kosa no mba misokatra kely izany, hoy hatrany i Nambinintsoa.

 Nambinintsoa, dokera ao Ampitatafika miaraka amin’ireo ekipany .
TENA ILAIN’NY FIARAHA-MONINA
Na izany aza anefa hoy i Nambinintsoa dokera dia asa tsy afa-misaraka amin’ny fiaraha-monina ny asana dokera. Vantany vao miantsena fotsiny mantsy ny Renim-pianakaviana iray dia efa mila azy ireny raha vao mavesatra ny entany. Toraka izany koa ireo kamiao mpitatitra vary sy saribao izay ny dokera avokoa no manampy azy amin’ny famoahana ny entana hatrany anaty toeram-pivarotana na tranom-barotra. Ny tena mampalahelo anefa ankehitriny hoy hatrany ity Raim-pianakaviana dokera ity dia efa tafiditr’ireo olon-dratsy ity sehatr’asa iray ity. Misy amin’izy ireny mantsy no tsy mponina ao amin’ilay toerana akory ary mitondra entan’olona saingy mody mandeha aloha izy na aoriana ary miporitsaka manjavona avy eo. Izany indrindra no manosika ireo dokera 51 lahy ao anatin’ny kaominina Ampitatafika hangataka badge amin’ny kaominina hahafahana manavaka azy ireny amin’ny olon-dratsy. Miisa 4 ireo sektera misy azy ireo, dokera izay efa samy manana ny mpanjifany avokoa.
NOMEN’NY KAOMININA FANAMPIANA
Mba hampirindra ny fiaraha-monina ary dia notoloran’ny kaominina Ampitatafika fanampiana izy 51 lahy ireo. Vary 3 kg avy sy lela-vola 10.000 Ar no natolotra azy ireo tamin’izany ho fanampiana azy. Narahin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ny fihainoana ny hetahetan’izy ireo moa izany. Ho an’ireo dokera manokana dia vonona izy ireo ny hiara-kiasa amin’ny kaominina. Raha misy aza hoy i Nambinintsoa ny andrimasom-pokonolona ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana ao Ampitatafika dia vonona tanteraka izy ireo. Raha misy asa hafa ihany koa hoy izy azon’ny kaominina omena dia mbola vonona hatrany ihany koa izy ireo.
SARY 2 : Ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina nizara fanampiana ho an’ireo dokera
Pati
 

Dans la même rubrique