airtel

Dossier

05-juin-2026

CHEF Aina, Service Traiteur

« Mila asa tsara sy matihanina

Sample post image

raha te ho tafavoaka »

05-juin-2026

Raim-pianakaviana monina eny Ilafy i Chef AINA .Mpanao sakafo na irony antsoina hoe traiteur irony no asany. Fony mbola kely i Chef Aina dia efa tia mikarakara sakafo ary nitohy teny izany mandram-paha lehibeny ka lasa asa mihitsy fivelomany taty aoriana. Tsy vitan'ny fitiavana fotsiny ihany anefa ny mikarakara sakafo hoy i Chef Aina fa mila mianatra sy mandalina hatrany mba hitomboan’ ny traikefa, araka ny nambarany tao amin’ny horonantsary fanadihadiana : Ny tena Fiainan-draMalagasy .Anisan’ireo nofanin’ny INTH izy ary mampiasa ihany koa ny teknolojia hanovozana fahalalana.
MILA MIEZAKA MANATSARA HATRANY
Tena mahafinaritra ny asana traiteur hoy izy , saingy tsy mora fa mila mahazaka tsindry fa raha tsy izany tsy tafavoaka. Rehefa mikarakara sakafo hoy i Chef Aina dia misy ny fenitra tsy maintsy arahina indrindra eo amin'ny lafiny fahadiovana. 7 taona izay no nanaovako io asa io fa tsy mbola nisy olana mihitsy teo amin'ny resaka fahasalaman’ ny mpanjifa tao aorian'ny fihinana ny sakafo nokarakaraiko, hoy izy. Tahaka ny asa rehetra ihany ny fanaovana sakafo hoy i Chef Aina, ary mitombo isan'andro ny mpifaninana fa ianao no miezaka manatsara ny anao raha te ho tafavoaka. Somary sarotiny isika malagasy hoy i sefo aina saingy tsy mitovy amin'ireo vahiny isika fa hoanintsika daholo izay rehetra misy eo. Rehefa manao zavatra hoy i Chef Aina dia mijanona amin'ny maha matihanina,ary ataovy amin'ny fo ny asa izay atao.

Hitanao ao amin’ny pejy facebook an’ny Top radio sy Tia Tanindrazana ny horonantsary momba ny fandaharana fanadihadiana « Ny tena Fiainan-dra Malagasy ». Nangonin’i VALISOA
 

Dans la même rubrique