airtel

Dossier

24-mai-2022

Dossier

Fandaminana etsy Andohan’Analakely Misy zavatra mbola tokony ahitsy

Sample post image

Notanterahina nanomboka ny sabotsy alina teo nitohy hatramin’ny afak’omaly Alahady ny andrana mikasika ny fandaminana ny fifamoivoizana vaovao etsy Andohan’Analakely,

24-mai-2022

tanterahin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Omaly Alatsinainy kosa no nisantarana izany izay tsy tena nahitana fitohanana be tamin’ny ankapobeny na ho an’Analakely izany na ho an’iny faritra Antaninarenina iny.
METY
Nilamina ny fifamoivoizana tamin’ny ankapobeny. Saika nahitana mpitandro ny filaminana avokoa mantsy ireo tobim-piantsonana nofoanana toy ny eny Ambohijatovo….mba hanazarana ireo mpandeha ho any amin’ny tobim-piantsonana vaovao raha toraka izay ihany koa ny mpamily taxibe. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpamily maromaro dia mety amin’izy ireo ity fandaminana vaovao ity. Tsy dia nahitana fitohanana firy intsony mantsy teny Andohan’analakely na dia tamin’ny fotoana niravan’ny mpianatra tamin’ny 12 ora atoandro aza. Teo aloha teo mantsy dia tonga hatrany Ambohijatovo ambony ny fitohanana amin’ny filaharan’ireo taxibe mivoaka miazo an’ Anosy. Eny Soarano kosa ny farany ho an’ireo avy any Analakely hivoaka ho any Anosy. Nanomboka omaly dia tsy nisy intsony izany na nisy fa kely no sady mandeha ihany. Nomarihin’ireo mpamily taxibe sy taxi fa tena handaniana solikabe tokoa ny fiaretana anaty fitohanana maraintsy hariva eo Andohan’Analakely. Matetika mantsy ho an’ireo avy any Ambohijatovo dia mahalany 30 minitra izy ireo vao tafavoaka ny tonelina hiazo an’Anosy, fotoana efa tokony hahavitana antsasaka toro ary hampidirana lelavola 10.000 Ar raha kely. Ny zava-misy anefa dia sady lany ny solika ny vola tsy miditra noho izay fitohanana lavareny iainan’izy ireo isan’andro izay.
Legende: Eto ilay Rond point BNI/Super Music
TSY METY AMIN’NY ZOTRA SASANY
Na dia mety amin’ny 80%-n’ireo mpamily mampiasa iny lalana iny aza ity fandaminana vaovao ity dia misy tsy mety amin’ireo zotra sasany kosa. Ho an’ny taxibe 182 miazo an’Ambolokandrina sy 117 miazo an’i Mahazoarivo miantsona ao ambadiky ny tobim-piantsonana teo aloha etsy Ambohijatovo ohatra dia voabahana tanteraka izy ireo ary tsy manana toerana hijanonana intsony. Lasa miazo iny toerana somary teritery iny mantsy ireo fiara rehetra avy any Ambohijatovo ambony vao midina manoloana ny super music etsy Analakely ary miodina ilay rond point vaovao raha hiazo an’Anosy. Nitaraina mafy ireo mpamilin’ireto taxibe roa ireto araka izany. Nitaraina toraka izany koa ireo mpandeha anaty taxibe mampiasa iny lalana iny. Diso tery loatra mantsy ilay lalana ka tsy maintsy mifampiandry ny samy fiara vao afaka izay handaniana 20 minitra raha haingana indrindra ho an’ny taxibe iray. Hangatahin’ireo taxibe ao amin’ny zotra 117 sy 182 araka izany ny tokony hijeren’ny kaominina ny tobim-piantsonana tokony hisy azy ireo marina. Diso tery loatra mantsy ilay lalana ao ambadiky ny tobim-piantsonana Ambohijatovo noho ny hamaroan’ny fiara ka lasa izy ireo indray no voahilika.
Legende: Teny Andohan’Analakely omaly atoandro
TOKONY HOJEREN’NY KAOMININA
Ho an’ireo mpamily sasany indray dia anisan’ny hangatahin’izy ireo amin’ny kaominina ny handaminana ny fifamoivoizana etsy amin’ny pochard sy Behoririka akaikin’ny Magro. Rehefa inona no azon’ny fiara hampiasaina ny lalana midina miazo ny pochard hoy izy ireo ary rehefa inona no tsy azo hampiasaina fa misy barazy. Tokony hisy ny fanazavana entin’ny kaominina hoy hatrany ireo mpamily. Marihina moa fa anisan’ny toerana be fiara sy olona mifamezivezy ihany koa iny faritr’Antanimena sy Pochard iny isan’andro.
FITOHANANA BE
Tsara ho marihina fa nisy akony hatrany Ampefiloha, Andaavamamba, Anosy, Andrefan’Ambohijanahary ary Ankadimbahoaka ny fandaminanana vaovao ka tena nitohana aok’izany ny fifamoivoizana.Misy zavatra tokony ahitsy, hoy ireo mpitondra fiara raha toa ka hoe tsy maintsy tanterahina io fanovana io.Tetsy ankilan’izay dia nety ny tsena ho an’ireo Taxi moto omaly.
Legende: Fitohanam-be ny teny Soanierana, noho ilay fandaminana vaovao
Pati
 

 

Dans la même rubrique