airtel

Dossier

11-sept-2026

Fitrandrahana safira

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

Sample post image

Nivoaka ny fanadihadiana "Ilakaka,

11-sept-2026

vivre dans l'ombre des mines artisanales »

Navoakan’ny Laboratoire Océan Indien an’ny Fondation de l’Innovation pour la Démocratie ny horonantsary vaovao mitondra ny lohateny hoe : "Ilakaka, vivre dans l'ombre des mines artisanales » izay maneho ny tontolon’ny fitrandrahana safira ao Ilakaka. Tafiditra ao anatin’ny programa « Les Voix du Vivant » izy, izay mikendry ny hanasongadina ireo zava-misy ara-tsosialy matetika tsy voarakitra sy voafetra amin’ny adihevitra. Ny taona 1998, vato manga iray hita kisendrasendra no nanova tanteraka ny tanànan’Ilakaka, ka nanjary toerana lehibe misy mponina an’arivony mitady vintana, mba hahazo safira. Ankehitriny, tombanana ho 60 000 ny mponina ao amin’ity tanàna ity, ary Madagasikara dia isan’ny mpamokatra safira lehibe indrindra eran-tany noho ny fisiany. Asehon’ny horonantsary ny fiainan’ireo mpitrandraka, toa an’i Tsiatsefa avy any Belamoty tonga tao Ilakaka ny 2019, ary mampiseho ny tambajotra sy fiodin’ny ara-toekarena tsy ara-dalàna sy fenitra manodidina ny safira. Ny « business gasy » dia manohana ara-bola ny fandavahana lalina izay misy fivarotana aina, ny mpividy avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao no tonga, ary ny fianakaviana mizara tombony rehefa misy safira hita. Avoitran’ity horonantsary fanadihadiana ireo fiodin’ny tontolona manodidina ny safitra : ny « creuseurs » na mpandavaka dia mahafantatra ny tany, ny mpividy mahafantatra ny tsena, ary ny andrim-panjakana miezaka mahatakatra ny fitsipika niorina tamin’ny fomba am-bava sy tsy ofisialy. Ny tantara dia niorina tamin’ny fikarohana nataon’i Onja Harison teo ambany fitarihan’i Patrick Ranjatson sy Symphorien Ongolo. Nandray anjara tamin’ny fandraisana ny ekipa, nanokatra ny fiainany andavanandro tamin’ny fahatsoram-po sy fitiavana ny mponina sy ny fianakaviana tao Ilakaka. Nitarika ity tetikasa ity i Randianina Radilofe sy Symphorien Ongolo, ary nanao ny famokarana i Mihaja Clerck. Nampian’ny CNRE (Centre National de Recherches sur l’Environnement), l'UMR SENS, ny IRD, UCM (Université Catholique de Madagascar), ary teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianartana ambony na ny MESUPRES .Nambaran’ny Profesora Achille Mbembe, filohan’ny Fondation de l’Innovation pour la Démocratie, fa tanjona ny hananganana tontolo tena azo iainana, mba hanampy amin’ny fananganana fahatakarana iombonana,… Haseho amin’ny Festival international du film documentaire eto Antananarivo ny 27 septambra 2026 ny « Ilakaka, vivre dans l'ombre des mines artisanales», mba ho sehatra hifanakalozan-kevitra amin’ny mpamokatra sy ny mpijery momba ireo toe-javatra misy.
Toky R


 

Dans la même rubrique