mandehandeha mitety tanana. Vao maraina amin’ny 06 ora dia efa re manakoako eran’ny tanana ny feon’ireo tovolahy kely sy Raim-pianakaviana mivarotra azy ireny, manenjika ny ora fividianan’ny isan-tokantrano sakafo maraina. Anisan’ny manao sy mivelona amin’izany asa izany Jorokely. Mahavita 15 Km dia an-tongotra isan’andro izy manao izany asa izany. Tahaka izao ny resaka nifanaovany tamin’ny gazety
Tia Tanindrazana. Nanomboka hoviana ianao no nanao ity asa ity dia mahavelona ve ?
Vao amam-bolana aho no nanao ity asa ity fa misy fianakaviana efa nanao azy efa ela dia nampianatra anay. Ieh tena mahavelona ilay asa. Mila finiavana sy fanadiovana kosa anefa mba hitazomana mpanjifa.
Dia tsy mila olona kamokamo ihany koa. Fa inona avy no asa fiomanana tsy maintsy hatao ?
Amin’ny hariva avy mivarotra dia efa maka longozo hamonosana ny koba. Dia amin’iny hariva iny ihany koa dia efa mividy koba sy ireny akondro tapatapaka ilay masakabe ireny dia ampiana siramamy kely sy voanjo. Mifoha amin’ny 03 ora maraina manamboatra ny koba sy mahandro azy ary mivoaka amin’ny 05 ora maraina manenjika ireo toerana fivarotana. Efa samy manana ny toerana fivarotany izahay. Mahalany iray sobikakely izahay mandrapaharivan’ny andro. Ny antsasany hamidy amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro eo ho eo dia lany. Miditra indray ny andiany faharoa amin’ny 01 ora folakandro eo ka hatramin’ny 05 na amin’ny 06 ora hariva any ho any.
Ohatrinona no vola hampiasainareo isan’andro dia ohatrinona no tombony azo avy amin’izany ?
Ny anay zao 5000 Ar mahery ny vola hampiasaina isan’andro. Mahazo 15.000 Ar izahay mandrapaharivan’ny andro raha lafo avokoa ny koba rehetra izany hoe : mahazo tombony 10.000 Ar latsaka isan’andro eo ho eo.
Manao ahoana ny havizanana amin’izany dia mivarotra foana ve isan’andro ?
Tena henjana ny havizanana. Tsy mipetraka mihitsy mantsy na dia amin’ny ora fisakafoanana aza fa sady mandeha mitety tanana no miantsoantso mpividy. Lalana 15 km isan’andro eo ho eo no tsy maintsy hatao mandrapaharivan’ny andro. Mivarotra foana izahay isan’andro fa rehefa tena reraka aho dia mitady mpandimby rehefa Alahady. Amin’iny mantsy no tena mandeha ny tsena amin’ny fividianan’ny olona ody ambavafo ho an’ny ankizy.
Firy ny koba betsaka indrindra vidian’ny olona ?
Ny anay zao misy amin’ilay 200 Ar dia misy amin’ilay 500 Ar. Ity farany no misy voanjokely. Matetika mividy hatramin’ny 20 isa ny tokantrano iray indrindra fa rehefa faran’ny herinandro iny. Ilay 500 Ar no tena be mpividy na somary lafolafo aza. Roa amin’ilay 200 Ar kosa no vidian’ny sasany raha kely indrindra. Manodidina ny 200 na 250 isa isan’andro eo ny lafonay.
Pati
Legende : Jorokely mpivaro-koba mandehandeha eny Atsimondrano eny !