airtel

Dossier

20-févr-2025

NAIVO HENRIE : MPIVAROTRA RANO, MPITARIKA SARETY

Miezaka sy manana fanantenana na dia sahirana aza

Sample post image

Raim-pianakaviana 40 taona i Naivo Henrie, manambady niteraka telo mianadahy.

20-févr-2025

Mpivaro-drano no asany no sady mitaona entana amin’ny sarety. Raha araka ny resaka nifanaovana taminy dia amin’ny 2 ora maraina dia efa mandahatra « bidon jaune » izy isan’andro noho ny filaharana. Rehefa izay dia miverina manampy ny vadiny sy ny ankizy handeha hianatra ary mamoaka ny biby fiompy manomboka amin’ny 6ora maraina. Manatitra ranon’olona isan-tokantrano indray izy aorian’izany ka 10 hatramin’ny 40 bidon no voahatitra isan’andro, ary 200Ar no hamarotana ny 1 bidon 20 litatra. Raha hatao ny kajy dia 8.000Ar, isan’andro eo ho eo izany ny vola miditra amin’i Naivo Henri amin’ny famarotana rano eny Anosibe. Anisan’ny mampijaly ny asany raha araka ny fanazavany ny fahatapahan’ny rano matetika izay tena manakorontana ny fitadiavana. Tsy maintsy manao vadin’asa i Naivo Henri vokatr’izany ka anisan’ireny ny mitaona entana amin’ny sarety. Hain’i Naivo tsara ny mandamina ny fandaharam-potoanany amin’izany. Vao vita mantsy ny fivarotana rano dia miditra amin’ny fitaomana entana amin’ny sarety indray izy. 2.000Ar ny hofana sarety raha any amin’ny tompony mivantana. Misy kosa anefa ireo miketrika sy mibizina ka mampanofa izany ho 5.000Ar isaky ny « voyage ». Tamin’ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’i Henrie dia nitaona entana niainga teo Anosibe izy ary nanatitra izany teny Anosy ka 12.000Ar no nitondran’izy sy ny namany izany. 18.000Ar isan’olona eo ho eo no azony raha mahita entana in-telo miatoana. Hafatr’i Naivo no an’ny tanora araka izany ny tokony hiezahana hatrany eo amin’ny fiainana. Ny olona rehetra no tokony hiezaka hoy izy indrindra fa ny tanora. Mamorona asa no sady mianatra, fa tsy diploma fotsiny nefa avy eo tsy mahita asa akory. Rehefa miezaka ianao dia manana fanantenana… mila manova toe-tsaina isika hoy i Henrie raha te-handroso.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny asan’i Naivo Henrie isan’andro !
 

Dans la même rubrique