airtel

Dossier

22-janv-2025

Ny tontolo andron'i .

... RIJA MPAMILY TAKSIBE

Sample post image

Mitondra 5.000 ka hatramin’ny 30.000 Ar mody isan’andro

22-janv-2025

Asa mamelona fianakaviana maro eto amintsika ny familiana taxibe. Hahazoana vola ihany izy io amin’ny ankapobeny indrindra raha somary fetsifetsy ilay mpamily. Ho an’i Rija ohatra dia fantatra fa mitondra 5.000 ka hatramin’ny 30.000 Ar mody isan’andro any amin’ny vady aman-janany izy, miankina amin’ny zava-misy.
Tahaka izao ny resadresaka nifanaovana taminy. Manao ahoana izany asana mpamily taxibe izany dia mahavelona ihany ve ?
Tsy mila olona kamo ny asana mpamily taxibe. Tsy maintsy mifoha amin’ny 04 ora maraina isan’andro mantsy ary mody amin’ny 08 ora alina indrindra raha te-hahita vola entina mody isan’andro. Tsy mipetraka ianao amin’izany raha tsy folakandro rehefa miandry mpandeha eny amin’ny tobim-piantsonana.
Azo lazaina ho mahavelona ihany izy raha tena hiforetana. Ahoana ny paikady hampiasainareo amin’izany dia mandray vola isam-bolana ve ianareo ?
Tsy mandray vola isam-bolana izahay ka! Izay ambonin’ny versement henjehinay isam-bolana no anjaranay. Ny anay zao fiara taxibe 307 fohy tsy maintsy mampiditra 60.000 Ar isan’andro any amin’ny tompony. Henjehinay io dia manenjika ny anay indray izahay avy eo. Izay no antony tsy maintsy hifohazanay maraina hanenjehina ireo tantsaha mpaka entana. Amin’iny mantsy mbola malalaka ny lalana dia afaka mivezivezy tsara. Mba mahavita toro 4 eo ho eo vao tonga ny amin’ny 7 ora maraina tena mampihitsoka amin’ny fitohanana.
Inona no antony tena mahatonga anareo miodina tsy tonga any amin’ny tobim-piantsonana farany ?
Mbola resaka fitadiavam-bola ihany iny. Tsy maintsy mitady fika izahay hitondrana vola mody (sady mihomehy). Matetika mantsy ny olona miainga any amin’ny tobim-piantsonana any amin’ny farany daholo vao miala. Dia am-pahany ihany no entinay amin’ireny amin’izay mba misy mivoaka miditra. Raha olona 22 isa ohatra no entinay mandoa saran-dalana 13.200 Ar dia ezahinay hahazoana hatrany amin’ny 20.000 Ar raha mety mandrapahatonga any amin’ny tobim-piantsonana tena farany indray. Mody miantso izahay hoe : eo amin’ny 67 ha no farany fa manohy hatrany Analakely ihany avy eo.
Inona no tena olana amin’ity asanareo ity ?
Ny fitohanana no tena olana dia ny haratsian’ny lalana. Tena mampahantra anay mpamily taksibe io. Izay no mahatonga anay tsy mitondra vola mody afa-tsy 5.000 Ar indraindray. Tsy mahavita afa-tsy toro 5 mantsy izahay mandrapaharivan’ny andro rehefa tena mitohana ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny ora hisakafoanana indray miankina amin’izay fotoana mampahalalaka no hihinana. Amin’ny fotoana hiandrasana ny mpandeha ohatra….
Pati
Legende : Mahazo vola ny mpamily taksibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha manana fikirizana !

 

Dans la même rubrique