Anjaran’ny fanjakàna foibe moa no mandamina ny tokony ho fizotran’ny atao hoe fikaonandoham-pirenena izay andrandrain’ny isan-tsehatra amin’izao fotoana, hoy ny mpanao vakodrazana malagasy, Razafindrabe Jean France Wysco na Rabejean Miarinarivo. Manana ny hetahetany koa nefa izahay miangaly kolontsaina, hoy izy. Isany izahay aty amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Mpanao kolontsaina, mpanao vakodrazana, mpanakanto, mpitondra feon’ny vahoaka ihany koa ny tena ka manana hetaheta ho entina hanatsaràna sy hitondràna izay ao anaty hiteraka fampandrosoana ho an’ny tsirairay avy. Nisy tamin’ny fotoan’andro ny savaranonando nataon’andriamatoa minisitry ny kolontsaina izay niantsoany ny mpanao kolontsaina sy mpanakanto rehetra tao Anosy. Tsy hita ny tohiny taty aoriana nefa hoe nanao ahoana? Tamin’ny herinandro aho izao nitsidika kaominina iray tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Sady nanao fampisehoana ihany koa moa! Amin’ny maha zanaky ny distrika ny tena sy zanak’Analavory dia nanolotra fampisehoana maimaimpoana tao amin’ny kaominina Analavory nandritrana tsenabe iray izay. Nisy koa tao anatin’izay ny asa sosialy samihafa toy ny didim-poitra faobe natao tao Analavory. Niisa 60 teo ireo zazalahy nisitraka izany ary novatsiana maimaimpoana azy ireo avokoa ny nilainy rehetra tao anatin’izany. Entina ilazàna hoe ny tarika dia tsy mionona fotsiny amin’ny maha mpanakanto fa miezaka mitondra fampandrosoana amin’ny alalan’ny zavakanto ho eny amin’ny mpiara-belona. Nifanerasera mihitsy tamin’ireo vondron’olona ifotony, ny kaominina sy ny sahala amin’izany. Isan’ny toerana maro mpizahantany Itasy. Maro toera-manan-tantara na «site historique» sy fizahantany na «site touristique» maro ao. Mampitaraina vahoaka izao ny hoe sao tokony jerena manokàna ny sampana Lovako ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ao, izay misahana ireny harena sy vakoka any ifotony ireny? Isany ny «Gésier d’Analavory», «Chute de la Lilie», «Site d’Ampasamanantongotra» sy maro izy ao Itasy ao. Mikaikaika izao ny any Ifotony hoe tsy ny kaominina mivantana intsony no mitantana ireny vakoka ireny fa dia rantsana na «organisme rattaché» avy amin’ny minisitera avy aty Antananarivo. Tsy ampy ny fampahafantarana eny ifotony ny mikasika io rantsana io no fahitàko azy. Tsy voatery hiandry fikaonandoham-pirenena ny fampahafantarana an’izany. Be mpitsidika be ireny toerana ireny rehefa fety toy ny alatsinainin’ny Paska na Pentekosta. Mankaiza daholo izany ny vola miditra amin’ireny ivotoerana ireny rehefa tsy hampandrosoana ilay kaominina misy ilay toerana manan-tantara sy be mpitsidika, hoy ny fanontanian’ny olona? Isan’ny tena nangatahan’ireo mponina, sy tamin’ny alalan’ireo tomponandraikitra, ao amin’ny kaominin’Ampefy sy Analavory izao izany satria ireo no tena maro an’izay toera-manan-tantara sy be mpitsidika izay. Sao tokony averina amin’ny kaominina ny fitantanana ireo toera-manan-tantara, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija