eto an-drenivohitra, indrindra hatramin’ny nilatsahan’ny ranon’orana no mankaty. Potika ny tetezan-kazo, tsentsina ny tata-drano, mihoatra ny trano fivoahan’ny sasany, antony miteraka tondra-drano sy aretina eny amin’ireny faritra maro samihafa ireny. Mitantara ny zavatra hiainany isan’andro Rtoa Ralisy, mponina etsy Andavamamba ambadiky ny orinasa JIRAMA. Vao miarina eo am-pandriana izy isan’andro dia efa miaina ao anaty rano, raha ny nambarany.
Nanomboka oviana ianareo no niaina tranga tahaka izao, dia manao ahoana ny fiainana ?
Efa ho herinandro mahery izao no niaina tao anaty rano izahay, izany hoe : hatramin’ny nisian’ilay cyclone farany teo iny. Tena sahirana izahay miatrika ny fiainana isan’andro. Vao mifoha maraina mantsy dia efa milona ao anaty rano ny tongotray mianakavy kely. Eny am-pandriana amin’ny alina ihany vao mba tsy lenan’ny rano.
Manao ahoana ny fahasalamana dia ahoana ny entana ao an-tokantrano ?
Tena marefobe ny fahasalamana. Mamelibe ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny gripa sy ny kohoka. Toraka izany koa ny tazo mahery. Masakabe koa ny elakelan-tongotra rehetra izay tena mitarika fanaviana ihany koa vokatr’izay rano hirobohana isan’andro. Tsy hanavahana na lehibe na kely fa saika lasibatra avokoa izahay ato an-trano. Ny entana indray ireo tena mavesatra mijanona amin’ny toerany ihany miaraka amin’ny fandriana. Ny ankoatra izay hampifanaingenina dia eny amboniny eny no mahandro sakafo amin’ny atoandro sy hariva.
Tsy atahorana ve ny ankizy dia ahoana ny fanaterana mpianatra ?
Tena atahorana mihitsy ny ankizy. Rehefa tsy mianatra dia asaina mijanona eny ambony fandriana na hampitaina lakana alefa any amin’ny fianakaviana tsy tratry ny tondra-drano. Rehefa mianatra indray dia tsy maintsy fohazina maraina ary babena aterina eny amin’ny lakana mba tsy ho lena ny kapa sy ny akanjo. 200 Ar amin’izao ny frais-n’ny lakana ho an’olona iray ety aminay ety. Mitombo ny fandaniana vokatr’izany. Ny ahy izao 800 Ar isan’andro no tsy maintsy homanina hataon’izy mianadahy saran-dalan’ny lakana. Tapak’andro isan’andro ihany mantsy ireo no mianatra eny amin’ny EPP.
Tsy mieritreritra ny hitady trano ve dia ahoana ny hatao amin’ireny maloto mitsingevana ireny ?
Sakanana tsy hiditra aty an-trano fotsiny ireny. Be dia be mantsy no tototry ny rano ireo trano fivoahan’ny olona ety aminay ety dia mivoaka mitady lalana. Tena tsy eritreretina intsony. Ilay hitady trano vaovao misy ihany ilay faniriana saingy ny ho enti-manana no tsy misy. Zara aza mantsy izao mahita ny hanin-ko hanina isan’andro amin’izao. Ny hofantrano eto an-drenivohitra rahateo 200.000 Ar vao mba mahita ilay tsaratsara sy any amin’ny toerana ambonimbony. Ny anay itony lova dia tsy maintsy hiafiana izay misy aloha.
Pati
Legende : Ranobe hatrany an-trano tahaka izao no hiainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva sy any amin’ny faritra amin’izao !