airtel

Dossier

26-févr-2025

RASENDRA, MPANGATAKA AMORON-DALANA

Tsy maintsy mahita ny sakafony isan’andro na dia efa AVC aza

Sample post image

Ady ny fiainana ! Miezaka ny miaina izany isan’andro ny isam-batan’olona na dia ho an’ireo efa zokiolona mandalo

26-févr-2025

tsy fahasalamana aza. Anisan’ireny Rasendra, Renim-pianakaviana iray monina any Ambatofotsy any. Efa maty vady izy ary niteraka roa izay efa samy manana ny tokantranony avokoa. Tsy maintsy mahita ny sakafo hohaniny isan’andro izy dia efa tratry ny AVC na ny fahatapahan’ny lalan-dra aza. Tahaka izao no resaka nifanaovany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Nanomboka hoviana ianao no nangataka dia ahoana ny hahatongavanao eto an-drenivohitra isan’andro ?
Efa 2 taona izay no nangataka tahaka izao aho. Ireo taxibe mianatsimo ireo efa saika mahalala ahy avokoa. Dia hampiandry zareo aho rehefa miakatra ao anaty fiara amin’ny maraina dia tsy mandoa saran-dalana. Dia entindry zareo koa za rehefa mody amin’ny hariva saingy tsy maintsy amin’ny 02 ora fa efa mihabetsaka ny olona dia misisika ny taxibe.
Ianao mihitsy ve no tsy te-hiantehitra amin’ny ankizy dia iza no manome sakafo atoandro anao ?
Izaho mihitsy no tsy te-hiantehitra amin’ny ankizy. Sahirana amin’ny fikarakarana ny zanany koa mantsy ry zareo. Mpivarotra hani-masaka ety Anosy sy Ampefiloha ety no manome sakafo atoandro ahy isan’andro. Dia izay vola hitako mandrapahatongan’ny amin’ny 02 ora no hataoko sakafo hariva.
Amin’ny firy ianao no mifoha isan’andro dia ahoana ny hatao rehefa tonga any an-trano ?
Tsy maintsy mifoha amin’ny 05 ora maraina aho isan’andro miaraka amin’ny zafikeliko. Manampy ahy miomana ny zanako vavy dia alefany eo amin’ny taxibe za amin’ny 06 ora sy sasany maraina eo. Dia tonga eto an-drenivohitra za amin’ny 07 ora sy sasany eo na mahery ary manomboka mangataka. Rehefa tonga any an-trano indray aho dia ilay zanakovavy no miantsena mividy vary kely…Manampy ahy mahandro izy aorian’izay no sady manasa lamba izahay mianaka. Mikarama manasa lamba mantsy izy raha anjarako kosa ny miambina ilay zafikeliko mbola vao miana-mandeha. Rehefa tsy misy lamba sasana indray izahay dia mitady karama hafa ilay zanako.
Mahazo ohatrinona isan’andro ianao dia rehefa inona no mba mijanona ao an-trano ?
Indraindray aho mahazo 5.000 Ar. Rehefa tsy dia mahita indray dia eo amin’ny 2.000 Ar eo ho eo no entina mody. Olona mangoraka daholo no manome an’izany. Aleo manao izay vitako aloha mba tsy hanomezana fahasahiranana ny ankizy. Izaho rahateo tsy mba niasa tamin’ny fahatanorako dia tsy mba mandray vola fisotroan-dronono. Ny vadiko koa mpanao trano no asa namelomany anay fahiny dia tsy misy vola fisotroan-dronono raisina koa. Tokony mba hojeren’ny fanjakana ny zokiolona sahirana tahaka anay izay tena marobe tokoa.
Pati
Legende : Tsy maintsy mivoaka isan’andro mitady ny hanina hohaniny tahaka izao Rasendra !

 

Dans la même rubrique