Mpitandrina tsy malemilemy aho fa tena mahasaky ary milaza ny zava-misy marina, hoy Rasolonjatovo Rolland , mpitandrina raha nivahiny tao amin’ny fandaharana Mahasaky n’ny Top Radio 102.8 Fm izy halina. Mety tsy itovizako amin’ny rahalahy pastera hafa io fa izaho aloha tonga dia sahy miteny mahitsy. Izaho dia raiamandreny mpitandrina fifohazana ary ambarako mazava fa Andriamanitra dia tsy miresaka afa-tsy vahaolana, ny devoly kosa dia tonga izy handringana anao , ka rehefa fantany fa ianao ilay mpitandrina no misakana tsy ahatanterahany ilay izy dia mahatezitra azy izay ka miresaka aminao mangataka fahefana izy dia mampilendalenda anao amina resaka volabe, izay ilay fakam-panahy mila toherina.
FANJAKAN’NY LANITRA, FAHAMARINANA, FIBEBAHANA
Rehefa mitondra ny anarana hoe pastera dia tokony ho iray ny tanjona : hitondra ny olona ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra (lanitra). Fanoloran-tsaina ny olona mba hizotra amin’ny lalan’ny faharaminana eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Mety misy fahasamihafana kely ihany anefa io satria samy hafa ny anaran’ny fiangonana .Fa izahay fifohazana dia mitaona ny olona ho amin’ny fibebahana hmba ho tonga any amin’nyfahasitranana , na ny fahitana ny zavatra rehetra ilaina mba tsy ho diso lalana amin’izay atao. Izay ny anay fifohazana. Fa any amin’ny fiangonana hafa dia mety misy zavatra hafa ihany koa hoe te hanankarena ve ianao, te ahita fahagagana ve ianao, mety izay angamba no nianarany fa tsy aty amiko aloha izany. Misy koa mpitandrina manao fihetsika kely dia mitsingidina daholo izay olona manoloana azy eo, ka tsy hay intsony hoe asan’Andriamanitra ve sa herin’ny devoly ireny, asa re.. !
LALAN-TSAROTRA
Olombelona tahaka ny olombelona rehetra ny mpitandrina, hoy ny tohin’ny fanazavany fa misy ny olona moa mihevitra hoe anjely ny mpitandrina, fa raha mpanota ny olona dia mpanota ihany koa anie ny mpitandrina . Tsy misy marina na dia iray aza. Mandalo lalan-tsarotra tokoa ny mpitandrina amin’ny fitondrana ny olan’ny mpino. Manatona ny mpitandrina ny olona hoe mba esory amiko ity antsy ity fa marary ,mavesatra..Tena antsy maromaro izany no mitsatoka amin’ny mpitandrina ary izy dia mandohalika isan’andro mivavaka ho an’ny hafa…Na ny torimaso fotsiny aza dia tsy itovizan’ny mpitandrina amin’ny olona tsotra : mivavaka, mandray olona, mandray ny marary . Raha sanatria hoe misy olona tsy mivaha mihitsy ny olany dia ianao mpitandrina no mahatsiaro marary voalohany. Efa natoro ny olona ireo dingana mila arahana kanefa tsy voavaha ilay olana dia tena marary anao ilay izy hoe fa nahoana ary. Tena mafy ny asan’ny mpitandrina kanefa hoy ny tenin’ny soratra masina hoe : raha misy maniry ny asan’ny mptandrina dia maniry asa tsara izy.
FAKAM-PANAHY
Manana kaonty manokana ny lehiben’ilay fikambanana iray antsoina hoe franc maçon eto Madagasikara ary tena hoe losifera mivantana ; misy fotoana izy tonga mivantana ao an-trano tena aloka mainty be lava be, ny masony mena midorehitra manao capuchon mainty.Mandrabiraby anao izy hoe pastera oo , ohatrinona no ilainao fa io olona iray manatona anao io aza sitranina fa efa anay io, rahavao sitraninao io dia vonoinay.
Aza milingilingy mitady hoe iza io kaonty amin’ny tambazotra sosialy io fa vao mifandray amin’io fotsiny ianao dia misy zavatra ratsy miampita any aminao dia lasany any ianao. Nisy fotoana niresaka hoe satanika tany Antsirabe ka izay kitihany dia lasany, tena marina io.Misy fotoana ny devoly tena mikitika anao ary manolotra vola be amina miliara, tandremo fa zava-doza. Tena marina ilay tenin’Andriamanitra hoe : rehefa mivory ny zanak’Andriamanitra dia mba eo koa i satana. Fa izao tsy izany no atahorantsika mpitandrina, mila mijoro hatrany sy mahatoky ny herin’Andriamanitra, izao manokana dia nomen’Andriamanitra io fanomezam-pahasoavana mahay mamantatra hoe olona misy devoly sy fanahy ratsy io. Ny maha samy hafa ny Andriamanitra inoantsika amin’i satana dia mampianatra antsika i Jesoa Kristy ny amin’ny hoe izay manetry tena no asandratra fa ny an’ny devoly asandrany ianao dia adobony amin’izay avy eo satria ny olombelona amin’izao fotoana dia maika amin’ilay hita maso dia mora roboka, satria hoe androany aho manana olana tahaka izao sy izao dia maika hiatdy vahaolana eo no eo, vitan’ny devoly ny mamaha io olanao io androany fa tafiditra ao anatin’ny fikambanany ianao ary ho zogainy ao. Tadidio fa tsy misy devoly tia filaminana izany fa mamotika ny fiainanao izy. Tsisy devoly faly ny hampandroso anao izany. Mila mailo isika hoy Rasolonjatovo Rolland , mpitandrina fa anana « élément » maneran-tany ry losifera, misambotra olona atao sorona.
RESA-BOLA SY LAZA
Tsotra ny resaky ny pastera Rasolojatovo Rolland manolona ireo antokom-pinoana na fiangonana mampanantena fahagagana sy miresaka vola isaky ny mihetsika. Tadidio fa tsy nikaramaizany mihitsy anie ny Apostoly, hoy izy fa tenafanaovana ny asa fitoriana. Ny asa nataoko hoy no Tompo no ataonareo ihany koa ary mbola hanao asa lehibe noho izany aza ianareo, hoy izy nampatsiahy ny tenin’ny Soratra Masina. Mpanompo ny mpitandrina fa tsy hoe hanandra-tena hanao dokam-barotra eraky ny tanàna. Tahaka ny hafahafa ihany izany hoe izaho pastera mandeha fiara 4x4, ny mpino ao amiko mandeha an-tongotra dia iny aho miteny hoe mba haingakaingana ianareo fa sao tara. Tsy mety izany hoy izy.
Nangonin’i RTT