airtel

Dossier

18-mai-2022

Dossier

Rotorotom-piainana sy adin-tsaina Miha maro, miha tanora ny Malagasy miakatra tosi-dra

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo Malagasy sahirana eto amintsika. Ankoatra ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro dia anisan’ny tena mavesatra ny fitsaboan-tena raha tojo tsy fahasalamana.

18-mai-2022

Raha kely mantsy dia 30.000 Ar no tsy maintsy aloa amin’ny dokotera tsy miankina iray ho an’ny fizaham-pahasalamana fotsiny ankoatra ny vidim-panafody. Anisan’ny antony hanaovan’ny Centre Marie Stella etsy Analamahitsy fizaham-pahasalamana maimaim-poana izany nanomboka afak’omaly alatsinainy.
MIHA TANORA
Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fiakaran’ny tosi-dra miakatra izay nomarihina omaly ny hetsika. Nomarihina omaly talata tokoa mantsy izany ka anisan’ny tanjon’ny Ministera foibe sy ireo ivon-toeram-pitsaboana maro samihafa ny hanampiana ireo olona marary tratry ny aretin’ny tosi-dra izay mihafara amin’ny fahafatesana mihitsy raha tsy voatsabo. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny faha-40 taonany no tratran’ity aretina ity ny olona iray. Ankehitriny kosa anefa dia efa misy 20 taona dia efa tratran’izany vokatry ny fomba fiainana tsy dia milamina loatra sy ny fandovana ilay aretina avy amin’ny razambe.
14 , 9

Eo amin’ny 14 ,9 no voalaza fa miakatra ny tosi-dran’ny olona ka mety hitondra any amin’ny fahavakisan’ny lalan-dra na ny AVC ary mety hihafara amin’ny fahafatesana mihitsy raha tsy voatsabo. Vokatry ny tsy fahampian’ny torimaso, ny fihinana sira be loatra, ny tsy fampiasam-batana izay tokony hanaovana dia an-tongotra 30 minitra ka hatramin’ny ora 1 isan’andro miankina amin’ilay olona no mahatonga ny aretin’ny tosi-dra raha eo ihany koa ny tsy fisotroan-drano izay tokony ho 1 litatra isan’andro ho an’ny olona milanja 40 kg eo ho eo. Santionany tsara ho fantatra ihany ireo fa hampianatra ireo tratry ny aretin’ny tosi-dra momba izay fomba fiaina izay Dr Feziny isan’andro manomboka amin’ny 08 ora maraina eny Analamahitsy. Toraka izany koa ny fampiasam-batana. Aorian’izay dia hizaha maimaim-poana ny fahasalaman’ireo olona tratry ny tosi-dra miakatra izy, aretina izay nambarany fa azo sitranina tsara raha manaraka toromarika ilay marary. Nomarihiny moa fa mety ho an’ny olona ampy sakafo ny fampiasam-batana saingy raha tena tojo olana dia azo hampiasaina hamenoana izany ny spiruline izay hananan’izy ireo ihany koa.
HISY FITSINJOVANA IREO SAHIRANA
Nambaran’ny Dr Feziny moa fa ho an’ireo tena sahirana dia hisy ny fitsinjovana ireo tokony hanao analizy aorian’ny fizahana maimaim-poana ny fahasalamany. Ho an’ireo tsy maintsy mihinam-panafody mandrapahafatiny kosa dia nambarany fa omena maimaim-poana izy ireo amin’ity andiany fahadimy ity izay tena hiavaka tokoa. Arahin’ny fanomezana fihenam-bidy 20 % ny fanafody rehetra ilaina izany ho tombontsoan’ilay marary.
FIJOROANA VAVOLOMBELONA
Bebe Modestine : Efa ela aho no tratry ny aretin’ny tosi-dra. Ilay masoko mandrodroa ary toa mizara izany rehefa mijery zavatra no tsapako nahafantaranay fa tratry ny aretin’ny tosi-dra miakatra aho. Saika mahavoa ahy matetika izy io antony hanatonako mpitsabo manokana mihitsy. Ny fanatanjahantena sy ny fanarahana ny torimariky ny mpitsabo hatreto no tena hitako fa vahaolana koa hanentanako anareo namako taizana tosi-dra ihany koa. Mahafaty ny aretin’ny tosi-dra fa tandremo na mety koa hitondra any amin’ny fahatapahan’ny lalan-dra izay mampalemy ny tanana na mampivilana ny vava ka tsy tokony hatao antsirambina.
Pati
Legende : Dr Feziny Seraphine, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Marie Stella etsy Analamahitsy
 

 

Dans la même rubrique