airtel

Dossier

14-oct-2026

Seho

goavan’i Lalatiana amin’ny alahady

Sample post image

Ho fihaonana feno

14-oct-2026

fifampizarana sy fihetseham-po…
Efa vonona tanteraka amin’ny seho izay hiarahan’i Lalatiana amin’ny mpankafy azy ny alahady 18 oktobra 2026 izao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa mipetrapetraka sy milamina koa ny fanomanana rehetra ary nasiana rindran-damina manokana ny tapakila, hamaliana ny fangatahan’ireo mpankafy, araka ny serasera ofisialy niarahany tamin’ny Miritsoka Production Mpikarakara sy ny mpiara-miombon’antoka omaly.
HIARA-HIANOKA SY HAHATSIAHY IREO LALANA NODIAVINA…
Efa tokony ho tamin’ny taon-dasa no nanatanterahana ity seho hatao ny alahady izao ity saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena. Ho betsaka ny fientanam-po mandritra io fiarahana amin’ny alahady izao io. Hianoka sy hiara-hahatsiahy ny lalana nodiavin’i Lalatiana teo amin’ny mozika ny rehetra manatrika ity fotoana ity ka mampanantena ny hampiaina feno izany amin’ny fomba mirindra sy matihanina tanteraka ny i Lalatiana sy ny Miritsoka, mpikarakara. Tsy ho latsaky ny ora telo mantsy ny fiarahana, ka ho Vavitokana eny an-tsehatra i Lalatiana, ravahan’ireo tovolahy tanora manan-tena feno amin’ny mozika, hampita angovo sy hafanana amin’ny alalan’ny kanto hozaraina avy eny an-tsehatra mankany amin’ireo mpankafy. Hisy ihany koa ny vahiny manokana « surprise » hanafana sy hanome voninahitra an’i Lalatiana, hifampizara ny kanto amin’io fotoana mamy io.
MAMPITA NY KANTO HO AN’NY TARANAKA
11 taona i Lalatiana no nanomboka niaka-tsehatra voalohany, nandalo tantara maro taorian’izay ary karazana mozika maro, isan’ny namolavola hampijoro azy handeha irery nanomboka tamin’ny taona 1987 rehefa avy nandray anjara tamin’ny fifaninana « La Découverte RFI » nokarakarain’ny RFI. Nilalao karazana mozika maro i Lalatiana, saingy resy lahatra ity andrarezin’ny Jazz ity ankehitriny, fa tsy ny isan’ny taona nanaovana ny kanto no zava-dehibe fa ny niainana azy. « Tsy ny isan’ny taona nanaovana ny kanto no zava-dehibe fa ny niainana ireo fotoana ireo,… Miezaka hatrany mihavao sy mitondra zavatra hafa noho ny mahazatra isaky ny miakatra an-tsehatra », hoy i Lalatiana. Ho azy, ilaina ny mampita sy mampahafantatra amin’ny taranaka aty aoriana satria sady mozika no fanabeazana no kolontsaina io. Ho hita taratra eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina amin’ny alahady izao araka izany, ny jery todika ny mozikan’i Lalatiana tao anatin’izay taona maro be izay. Ary satria fanamby ataony hampiavaka azy ny hihavao sy hitondra zavatra hafa noho ny mahazatra sy ny efa niarahana dia ho hita taratra mandritra amin’ny seho ny fivoarana, ny tantara, ny sanganasa rehetra… ho matihanina hatrany. Hokaloina ao koa ny ampahany amin’ny hiran’ny rainy araka ny fanazavany ary ho azo jifaina eny ny kapila manokana izay efa navoakany manokana mihitsy, misy ireo hira ireo.

SEHO MATIHANINA
Ny antsasaky ny lapa no hisy ny mpankafy mba hahafeno ny fepetra takiana amin’ny kalitaon’ny sary sy ny feo ary indrindra hampifanakaiky kokoa ny mpanakanto sy ny mpijery, raha ny fanazavan’i Lalatiana sy ny Miritsika, izay efa hatramin’ny 2012 no niara-niasa. Amin’ity taona ity dia miara-miasa amin’izy ireo ihany koa ny ketrika.com teo amin’ny lafiny famarotana ny tapakila ary eo ihany koa ny Top Radio 102.8 FM, ny Jejoo sy ny Tia Tanindrazana, ny Assurances Aro ary ny Tanàna Zoari. Misy ireo sokajina tapakila efa lany toy ny VIP, fa mbola misy ny tapakila azo jifaina amin’ity fampisehoana ity na efa vitsivitsy ihany aza. Nampiana ny sokajin’ny tapakila dia ny « silver plus » mba hahafahana manome fahafam-po ireo mpankafy. Efa vonona sy mirindra tsara avokoa ny fanomanana rehetra, ary vonona ny hanome sy kanto ho an’ny mpankafy, hoy ny mpikarakara. Any Toamasina indray no hahitana an’i Lalatiana amin’ny faramparan’ny volana oktobra izao aorian’ity fotoan-dehibe amin’ny alahady ity…
Toky R


 

Dans la même rubrique