airtel

Dossier

05-mars-2025

Tsianjery an-dalambe hitadiavam-bola

Mahavita 5 Km isan’andro i Nambinina sy Iva

Sample post image

Ny 45%-n’ny zaza Malagasy eo anelan’ny 4 taona ka hatramin’ny 17 taona

05-mars-2025

no fantatra fa efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto amintsika vokatry ny fahantrana. Anisan’ny miaina izany i Nambinina sy Iva, zazalahy kely anankiroa iraitampo, mpanao tsianjery mandehandeha eto an-drenivohitra. Nanaiky nitantara ny tontolo androny tamin’ny Gazety Tia Tanindrazana izy ireo. Aiza ianareo no mianatra ireny tsianjery ireny dia manomana firy isan’andro mba hahazoana vola ? Any amin’ireo namanay any an-tanana izahay no mianatra. Izaho no mianatra hoy Nambinina dia mampianatra an’ny zandrinay avy eo. Tsianjery 10 isan’andro eo no hataonay fa ny sasany tsy tadidiko intsony. Dia mankaiza avy ianareo roalahy isan’andro, tsy mianatra intsony ve ? Ieh tsy mianatra intsony izahay fa sahirana. Ny dadanay ihany sisa no miasa fa i Mamanay tsy miasa. Izaho zao 12 taona hoy Nambinina dia miisa 4 ny zandriko. I Iva miaraka amiko mikarama ety fa ireo telo ambiny mijanona any amin’ny Mamanay daholo. Miainga eto Anosibe izahay isa-maraina dia mandalo eny Anosy, tonga hatrany Analakely sy Isotry any vao mody. Mijanona amin’ny toerana be olona izahay manao tsianjery dia mahazo vola. Mahazo ohatrinona isan’andro ianareo dia tsy manaraka taxibe ve ? Mahazo 5.000 Ar isan’andro eo izahay. Tsy manaraka taxibe izahay fa efa misy namanay be dia be manao an’ireny. Ilay mandehandeha mitety tanana no tena hataonay. Omenay an’i Mamanay hatao sakafo ny vola azonay avy eo. Aiza ianareo no misakafo atoandro dia amin’ny firy no mody amin’ny hariva ? Eny an-dalana eny izahay no misakafo atoandro. Indraindray izahay manao tsianjery eny akaikin’ny hotely fihinanam-bary dia omen’ny olona vola na ambim-bary. Amin’ny hariva mihitsy izahay vao mody kah! Dia miainga indray rahampitso maraina.
Pati
Legende : Miaraka amin’ny baoritrakely tahaka izao izy roalahy rehefa manao tsianjery hitatazana ny vola !

 

Dans la même rubrique