airtel

Dossier

13-févr-2025

Dossier

VOAOLANA FONY FAHAKELINY Noraketiny amina boky 440pejy ny alahelony !

Sample post image

Tovovavy iray niharan’ny fanolanana fony fahakeliny monina any am-pitandranomasina any no namoaka boky 440

13-févr-2025

pejy mirakitra ny toe-javatra niainany sy ny vesatr’izany eo amin’ny fiainany. Taona maro no niainany izany raha ny fitantarany saingy tamin’ny alalan’io boky navoakany io dia efa tafarika kely hatrany amin’ny 75% ny fiainany. Raha ny nambarany dia nosoratany ho an’ny zanany sy ny fianakaviany io boky io teny am-piandohana noho ny fahasarotan’ny hitantarany izany mivantana. Taty aoriana anefa dia marobe ireo nangataka izany mba havoaka hovakian’ny besinimaro na koa havoaka ho horonan-tsary mihetsika mihitsy. Itsy voalohany anefa no tanteraka soa aman-tsara izay marihina fa maimaim-poana tanteraka. Ho fanampiana ny ankizy tsy hiharan’ny tery vay manta ara-nofo manerantany intsony no tanjony . Ankizy 1 amin’ny 30 mantsy no lasibatry ny fifamotorana ara-nofo any Frantsa. Potika avokoa ny ho avin’ireny ankizy ireny raha ny nambarany satria dia ny 5% monja no sahy miteny aty aoriana. Mbola akoraina indray aza izy ireny avy eo. Ny mba hahafahan’ny olona mipetraka amin’ny toeran’ ny ankizy lasibatra ihany koa no antony nanoratany io boky io, hatsapan’iretsy voalohany ny fijaliany sy ny antony tsy hahasahiany miteny. Mijoro ho vavolombelona ity tovovavy ity noho izany, mitarika ny olona hanova ny fomba fijeriny. Ny famakiana io boky io mantsy dia hamporisika ny reny, sy ny fianakaviana tsy hiray tsikombakomba hiaro ny tsy mataho-tody intsony. Hamporisika ny reny, hisafidy ny zanany, hiaro ny zanany, fa tsy hisafidy ny voninahitra, sy hiaro ny ratsy na dia ny vady aza. Ny zanaka tsy tokony hatao sorona ho an’ny adala hoy izy. Ny famakiana io boky io koa dia hamporisika ireo lasibatra rehetra hiteny ka hampihena ny asa ratsin’ireo mpanolana. Manantena moa ity tovovavy ity fa hanova olona maro ny fizarany ny tantaram-piainany ao anatin’io boky io no sady hanome fanantenana ireo lasibatra ihany koa fa mbola afaka miarina sy mitraka tsara amin’ny fiainana izy ireny. Tsiahivina fa 3 volana no nanoratan’io tovovavy io ilay boky raha 3 volana kosa no nanaovany ny fanitsiana. Hita ao amin’ny site monbestseller ihany koa io boky io mba hahafahan’ny rehetra mamaky azy.
Pati
Legende : Ity ilay boky manontolo !

 

Dans la même rubrique